Mampiteny ny moana ny fahantram-bahoaka eto Madagasikara na dia ambaran’ny mpitondra sy ny mpamatsy vola aza fa nidina ny tahan’ny fahantrana, izay mifanohitra tanteraka amin’ny zava-misy.
Sesilany ny fanehoan-kevitry ny mpanara-baovao amin’izao fiomanana amin’ny fiatrehana ny fifidianana amin’ny taona 2018 izao. Nambaran’Atoa Andriamampianina, mpanara-baovao sy ny toe-draharaha politika ao Antsirabe fa tsy mbola nisy tahaka ity satria tena latsaka lalina ao anaty fahantrana ny Malagasy maro an’isa noho ny fidangan’ny vidim-piainana. Nambarany fa vokatry ny fitavozavozan’ny mpitondra no antony. Raha ny fahitany azy dia tsy fantatry ny filoham-pirenena ny fahoriam-bahoaka matoa tsy mitady vahaolana izy. Lazaina fa ny krizy tamin’ny 2009 hatrany no fototry ny olana ankehitriny, kanefa iaraha-mahita ny fidangan’ny vidin-tsolika sy ny vidim-bary, izay tsy misy hidiran’ny krizy intsony. Raha ny fahitany azy dia mila manana paikady lehibe ny filoham-pirenena, izay “Expert comptable”, ka tsy mitombina tsy tokony hahavahany ny olana. Etsy an-daniny, olana goavana vokatry ny kajikajy ataon’ny mpitondra ny fanontana ny vola, nampitotongana ny sandam-bola, heverina fa nahatonga ny vola Malagasy lasa vola baoritra ankehitriny. Ankoatra ireo dia nambaran’ity mpandinika ity ihany koa fa fototry ny fampahoriana ny Malagasy ny fanomezana vahana ny seha-pihariana maro eto Madagasikara ny vahiny satria hatramin’ny banky sy ny fitrandrahana ny harem-pirenena dia anjakan’ny vahiny ka izay no hifehezany amin’izay tiany atao ny toekarena Malagasy, eny hatramin’ny fanafarana sy fitsinjarana ny solika aza, kanefa voalaza fa efa mamokatra solika ireo mpitrandraka, izay tsy misy fiantraikany amin’ny fiainan’ny Malagasy ny vokany izay ela izay. Raha ny tolo-keviny dia tsara ho an’ny filoham-pirenena ankehitriny no tsy milatsaka hofidiana intsony satria mbola hiteraka fahapotehana goavana ho an’ny firenena izany.
Caius R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.