“Avelao hiasa aloha ny Praiminisitra satria efa io no nosafidian’ny filoham-pirenena, n’inona n’inona lazaina”, hoy Atoa Andriamampianina. Ny asany no tokony hitsarana azy fa tsy lany andro hifampitsikera eto isika, hoy izy. Raha ny fanambiny dia tokony hahavita be ny Praiminisitra satria efa napetrany fa hanatanteraka ny fampandrosoana sy ny takian’ny filoham-pirenena no ipetrahany eo ka izay no andrasana satria efa tena sahirana ny Malagasy. Ho an’ity mpanaraka ny raharaham-pirenena ity moa dia tokony tsy hihoatra ny 20 ny minisitra ka atambatra izay minisitera tokony hitambatra satria asa no atrehana. Ny fitsanganan’ny Governemanta izao no andrasana fa efa tena mijaly ny Malagasy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.