Miverina mahazo vahana indray ny fifandranitana sy ny fifanasana vangy ary ny fampiasana mersenera politika eto amintsika tato ho ato. Midika izany fa mbola tena ao anatin’ny krizy lalina ny firenena Malagasy, ary ao sahady ireo efa manao sakana ny tsy hivahan’izany ka mitady hirika noho ny vola sy ny hafanan’ny sezam-pahefana. Manana ny heviny mikasika ny raharaha politika koa anefa ny mpandinika ara-tsosialy sy ara-politika Malagasy, ka nisy ny resaka nifanaovana tamin’Atoa Andriamalala Gervais.
Tia Tanindrazana (TT) : Mitaintaina ny Malagasy ankehitriny, manahy fa tsy mbola amin’ity taona ity ny krizy no hivaha. Ny hevitrao ?
Andriamalala Gervais (A.G) : Ao anatin’ny tampin-dalan-kaleha ny isika izao. Mpitondra te-hifikitra amin’ny seza noho ny tombontsoa ary fitondrana am-bava-basy no misy eto. Misy fitondrana sivily sy fitondrana miaramila koa eto, ka ireto farany no mibaiko ny sivily amin’ny fitantanana ny firenena izay nafenina hatramin’izay nefa niainantsika efa ho efa-taona.
TT : Voizin’ny filohan’ny tetezamita sy ny mpiara-dia aminy ny korontana hateraky ny fanaovana ny fifidianana raha ny tetiandro navoakan’ny CENI-T no arahina.
A.G : Raisiko ilay fifidianana parlemantera atao mialoha. Tokony hotohizana izany raha atao miainga ifotony ihany ka atao koa ny fifidianana ireo Ben’ny tanàna sy ny Faritra ary ny Faritany, dia mpifidy vaventy no hifidy izay ho filoham-pirenena. Tsy hahazaka izany anefa ny Malagasy ary ho loza hitatao. Io kisary io no kasain’ny mpitondra tetezamita hapetraka. Ny zava-misy dia efa tamin’ny volana aogositra 2012 no nivoahan’ny tetiandrom-pifidianana, ka nahoana tany no tsy nisy adihevitra fa tsy ankehitriny vao manao izany ? Matoa misy korontana ny fifidianana hitranga eo, dia ny mpitondra izany no hamboly azy satria ny korontana dia volena ary efa misy mamboly izany sahady eto amintsika ankehitriny mba hanenjehana ny mpanao politika sasany, tahaka ny efa nitranga tao anatin’izay efa-taona izay. Ny fanafodin’izany dia tokony hihaona haingana ireo mpanao politika rehetra ireo, mametraka fifanarahana ara-piarahamonina izay tsy maintsy arahina.
TT : Tsy tia tanindrazana ny mpanao politika Malagasy sy ireo efa nitonona ho kandida ireo, araka ny nambaran’Atoa Andry Rajoelina teny Ambohitsirohitra tamin’ny 7 febroary. Inona no amaritana fa tia tanindrazana tokoa ?
A.G : Tsy mbola nahita aloha aho hatramin’izao hoe ahoana no andrefesana ny fitiavan-tanindrazana eo amin’ny olona na mpanao politika na mpitondra. Ny fanaovana fotodrafitrasa dia andraikitra tsy maintsy ataon’ny mpitondra, ny fitsikerana dia anjaran’ny mpanao politika ary ny fanaraha-maso sy miteny ny tsy mety andraikitry ny vahoaka tompon’ny vola miasa, ka tsy ireo no hamaritana azy. Mora ny manondro olona, fa ilay miteny sy ny manodidina azy ve mba tena manana izany ? Hatreto koa dia olona tao anatiny sy mbola ao anatin’ny fitondrana ireo efa nitonona hiroratsaka lazaina fa tsy tia tanindrazana ireo. Midika anie izany fa niara-niasa tamin’ny olona tsy tia tanindrazana ilay nilaza e ! Ilay maka vola avy any Soalala nanamboarana ireo zava-bita ve no atao hoe tia tanindrazana, nefa ny ao Soalala tsy misy zava-bita ? Ary ny fanaratsiana an’Ambatovy nefa ao ihany no maka vola anaovana ireo fotodrafitrasa fandaharan’asan’Ambohitsirohitra. Ny zavatra ambara dia mila tandremana ihany, fa anaty fiarahamonina Malagasy isika izay manome hasina ny ray aman-dreny sy ny zokiolona, na atao hoe mbola tanora aza ny mpitondra ny tetezamita.
TT : Tena vahaolana marina ve ny tsy firotsahan’Atoa Ravalomanana sy Atoa Rajoelina, ny fanakanana ny fodian’ireo sesitany politika an-tanindrazana, indrindra Atoa Ravalomanana sy ny fianakaviany ?
A.G : Fahadisoana ihany izay amiko satria na Atoa Ravalomanana na Atoa Rajoelina dia samy manana ny mpanohana azy izay tsy azo atao tsinontsinona mihitsy aloha hatreto. Hampisy disadisa lalandava ny sakana atao ankehitriny io, indrindra ny tsy famelana ny filoha teo aloha sy ny fianakaviany ary ireo sesitany politika hody an-tanindrazana. Mitondra fahakivina ho an’ny mpomba azy avy mantsy ny zava-nisy. Jereo sahady ny mahazo ny ankolafy Rajoelina izay efa samy mandeha samy mitady io, raha miandrandra ny fahatongavan-dRavalomanana ny mpomba azy. Ny tokony hataon’ny mpitondra ny tetezamita dia ny fametrahana ny fitoniana haingana amin’ny fametrahana ny fifamelana faobe sy tena marina ary atao amin’ny fo tanteraka. Raha tsy izay dia hisy foana ny romoromo na ho vita aza io fifidianana io.
TT : Hisy fifidianana ihany ve amin’ity taona ity raha izany ?
A.G : Izao vao tena miseho ny disadisa eo amin’ny samy Malagasy noho ny fifandranitana misy amin’ny fomba fiteny sy fanehoan-kevitra. Mila mitandrina ny vahoaka ary tokony hitaky amin’ireo mpanao politika ireo ny hihaonany hifandinika sy hifamela ary handray fepetra hifampifehezany amin’ny fiatrehana ny fifidianana eto amintsika. Ny hatezeram-bahoaka no tsy ho tanty eto, ka sao ny asa kely sy ny orinasa hany misy no ho potika tsy hisy eo ka ho loza ny antsika mianakavy.
Nangonin-dRakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.