Politique

Andri Tong Sarintsarina tetezamita no misy eto


  • Talata 16 Aprily 2013

Mety aminay ny resaka fampihavanana hotarihan’ny FFKM io, hoy Atoa Ratongamanana Andriantsoa antsoina hoe Andri Tong.

 Izahay aza milaza, hoy ity mpandraharaha avy any amin’ny Faritra Alaotra Mangoro ity, fa tokony ho fanapahan-kevitra hentitra ary maika dia maika tsy misy andraso andraso no havoakan’ireto Raiamandreny am-panahy ireto. Ka ho anay dia manao tetezamita vaovao na manamboatra ny tetezamita misy amin’ny tena izy no hatao. Ny misy ankehitriny mantsy, hoy izy, dia mbola sarintsarina tetezamita satria mbola misy fiandaniana, mbola olon-tokana no mametraka tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto amin’ny firenena. Tsy misy ny fifandanjan-kery 100% fa mbola azy ny maro an’isa. Fotoanany izao, hoy Atoa Andri Tong, hamerenana ny olom-boafidy rehetra miainga ifotony fa efa lany daty avokoa ireo mitana andraikitra ankehitriny. Manaraka izany, hoy izy, na dia efa nanendry ny kandidà ho an’ny ankolafy Ravalomanana aza ny filoha Marc Ravalomanana dia ilaina ihany ny fodiany an-tanindrazana na dia fotoana fohy dia fohy aza hijanonany eto ka hanatrika ny diniky ny samy Malagasy novoizin’ny Amiraly Didier Ratsiraka fotoana maro izay. Raha ny hevitray mpandraharaha mikasika ny fifidianana indray, hoy Atoa Ratongamanana, dia tsy tokony hahemotra intsony ny daty voalaza fa hanatanterahana izany, saingy aminay dia tokony ho fitsapan-kevi-bahoaka handaniana lalàmpanorenana vaovao no hatao amin’izany satria tsy izy fa mbola taritokana ilay natao tamin’ny taona 2010 iny.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT