Politique

Andrefan'Ambohijanahary Nampitovy tadin-dokanga ireo fahavalon-dRavalomanana


  • Alakamisy 16 Febroary 2012

Nanatontosa fivoriambe tetsy amin'ny Mon Gouter Andrefan'Ambohijanahary ny UDR-C omaly.

 Efa mahazatra ny sofina hatrany ny hevitra tapaky ny mpikambana tao dia ny fanolorana kandidà tokana amin'ireo fifidianana rehetra hisy eto amin'ny firenena. Izany hoe iray ihany no hatolotry ny vondrona isaky ny Faritra, Distrika, ary Kaominina. Araka izany dia mbola hisy sivana aloha hanendrena ny kandidà hatolotr'izy ireo raha ny nambaran'i Lahiniriko Jean filohany. Ankoatra izay dia namaritra ny olona iray natolotra hiditra ho mpikambana ao amin'ny CENI izy ireo. Namaritra ihany koa fa tsy mizara velively ny vondrona UDR-C fa mitambatra hatrany ary niampy antoko roa aza izany dia ny TIM miaraka amin-dRaharinaivo sy ny GMMR tarihin’i Yves Aimé Rakotoarison, izay nisafidy mihitsy nony farany fa hiara-dalana amin'ireto nifanohitra teo aloha ireto, na dia efa hita nitovy ihany aza ny tadin-dokanga. Efa nitovy, satria hita soritra ary mazava tsy hay takonana intsony fa izy ireo no tena ao ambadiky ny fanakanana ny fiverenan'ny filoha Ravalomanana eto an-tanindrazana. Mivondrona ao amin'ity UDR-C ity avokoa mantsy ankehitriny ireo lohandohan'ny mpisorona mankahala fatratra (hatramin'ny tsinay maintiny) ity filoha teo aloha ity, dia i Norbert Lala Ratsirahonana, Reboza Julien, Lahiniriko Jean, Marso Evariste... sy ireo endrika vaovao sadasada toa an-dry Vyvato Rakotovao sy ry Yves Aimé Rakotoarison.
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT