Politique

Andrasana ao Toamasina Rajoelina anio Nohamafisina 100% ny fiambenana azy


  • Alakamisy 26 Janoary 2012


 Tsy fantatra na noho ny faha-03 taonan’ny datin’ny 26 janoary nisian’ny fandoroana ankitsirano fananan’olona, indrindra ny fananan’ny filoha teo aloha Ravalomanana, sy nanaovana ny fanimban-javatra maro nanapotika ny fiharian’ny Malagasy maro manerana ny Nosy, fa dia nohamafisina 100% ny fiambenana ny filohan’ny tetezamita ho tonga ao Toamasina anio. Hisy mantsy ny fitokanana “scanner” vaovao ny GasyNet entina hanatsarana ny fanaraha-maso ny entana miditra sy mivoaka, araka ny fanavaozan’ny fadintseranana Malagasy nanomboka ny taona 2007.

Araka ny vaovao voaray, tsy afaka mitsena an’i Andry Rajoelina eny an-tseranam-piaramadina Ambalamanasa ireo tale iraisam-paritra sy talem-paritra samy hafa, ny parlemantera afa-tsy ny TGV ary ireo te-hahita sy hihaona aminy, amin’izao fandalovany ao Toamasina izao. Nofoanana ihany koa ny fiarahabana vahoaka sy ny fihaonana fanaony amin’ireo tompon’andraikitra any amin’ny Faritra ary ny antoko mpanohana azy rehetra. Ny tafika handray azy amin’ny harofenitra aza nosafidiana manokana. Hatramin’ireo manamboninahitra miaramila sy mpitandro ny filaminana afaka mankeny Ambalamanasa aza dia nosafidiana manokana ihany koa. Ny seranan-tsambo aza mikatona mandritra ny tontolo andro anio vokatra izany ka tsy misokatra indray raha tsy ny zoma. Tahotra ve ny an’ny filohan’ny tetezamita sa misy feo efa ren’izy ireo any ho any mikasika ny mety hitranga aminy ? Na eo izany rehetra izany, tsy nisalasala niantso vahoaka mba hanemitra ny arabe handalovan’ny filohan’ny tetezamita ny ekipan’ny PDS ankehitriny, izay nambaran’izy ireo fa “ho mariky ny fanajana ny filoham-panjakana mandalo an-tanàna”, no antony nanaovan’izy ireo izany mikasika ny fahatongavan-dRajoelina ao Toamasina anio.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT