Politique

Andranomavo-Soalala Feno bileta tokana mialoha ny vata mangarahara


  • Alatsinainy 02 Desambra 2019

Mpikambana miisa 5 tao amin’ny birao fandatsaham-bato tao amin’ny biraom-pifidianana iray ao amin’ny fokontany Antsirabe, kaominina Andranomavo,

 

 

 

 distrikan’i Soalala no nitsikomba nameno biletà tokana mialoha ny vata mangarahara, araka ny tatitry ny CENI.

Tra-tehaky ny mpifidy io hosoka io. Karohin’ny zandarimariam-pirenena ny nahavanon-doza amin’izao. Tsy azo notohizana intsony ny latsa-bato tao amin’io biraom-pifidianana io ny

27 novambra lasa teo. Tao amin’ny fokontany Taperipia, kaominina Tsaraiko, distrikan’i Betroka indray dia nisy ny fifandisoan’ny bileta tokana tamin’ireo tokony ho any amin’ny kaomininina Beapombo II. Nisy ny fepetra noraisina nanolo izany tamin’ireo bileta tokana

fiandry saingy tsy misy ny vaovao momba ny fizotry ny latsabato tany an-toerana, tsy mbola tonga eny amin’ny SRMV ny vokatra. Ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana no

manapa-kevitra mikasika izay ho tohin’ny fifidianana tao amin’ireo kaominina roa ireo.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT