«Tsy miady, tsy miady fa ny kobay an-kelika», hoy ny fitenenana.
Ara-bakiteny io raha ny zava-misy niseho ny talata 28 novambra maraina teo tao Andranomanelatra Antsirabe, araka ny angom-baovao azonay. Tokony ho tamin’ny 10 ora tokoa mantsy io marainan’ny talata io dia nanao be midina tao amin’ny trano fonenan’i Tojo Ravalomanana, zanaka lahiaivon’ny Filoha Marc Ravalomanana ny zandary maromaro. Fiara 4X4 efatra be izao niampy kamiao «Unimog» iray avy ao amin’ny Vondrom-paritry ny zandarimaria Antsirabe no tonga nangataka ny hisava ny trano fonenan’ity zanaky ny filoha teo aloha ity. Nandà tsy nampiditra azy ireo moa ny mpiambina ny toerana araka ny voalaza ary niantso ny lehibeny, ka io no nampandre ny fitsarana raha toa ka iraka manana taratasy mazava ireto mpitandro filaminana ireto. Taorian’izay dia fantatra fa tsy manana fahazoan-dalana hanao izay fisavana izay ry zareo ka nilaza fotsiny fa hanao fanamarinana, araka ny baiko azony avy any ambony fotsiny.
Ny tsikaritra ihany koa, asa na fifanandrifian-javatra na efa voaomana fa araka ny vaovao azo ihany dia teny amin’ny manodidina ity trano fonenan’i Tojo ity ihany koa tamin’io andro io no nanaovan’ny mpiofana ao amin’ny ireo sekoly miaramila ao Antsirabe fanazaran-tena. Fihetsika tsy mbola nisy teny anefa izany. Raha ny fahitan’ireo mponina azy dia efa betsaka no nihevitra fa tena hisy fisamborana tokoa teny. Ankoatra izay dia fantatra tamin’io andro io fa nohatevenina ny isan’ireo zandary nanao fisavana tao Sambaina Antsirabe ary saika hosavaina avokoa ny fiara rehetra, na mpitatitra na an’olon-tsotra niditra an’Antsirabe ka nahagaga ny maro tokoa. Manoloana izany moa dia nilaza Atoa Ernest Rakotomiandrisoa, Depioten’Antsirabe I teo aloha fa tsy mankasitraka ity antsojay atao amin’ny zanaky ny filoha Ravalomanana ity mihitsy ny mpitolona ao amin’ny Magro Avaratsena ary nanamarika fa tsy avy amin’izy ireo ny fanakorontanana mitranga eto Madagasikara fa avy amin’ny mpomba an-dRajoelina. Mitaky tsy misy fepetra ny hampiatoana izao fanakorontanana ataon’ny mpitondra izao ny tenany sy ireo mpitolona eto Vakinankaratra raha tiana tokoa ny hisian’ny fitoniana eto Madagasikara. Ny mpisolovava ny filoha Ravalomanana, Razafimanantsoa Hanitra, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Bel’Air omaly dia nanao antso amin’ny mpitarika ny Emmo-Reg mba hampitsahatra ny fihetsika mampisavorovoro saim-bahoaka mikasika ity fikasana hisambotra ny zanaky ny filoha Ravalomanana sy i John Ferry, teratany amerikana, izay mpandraharaha no sady naman’itsy voalohany niara-dia aminy tonga eto Madagasikara, izay tondroin’ny mpitarika ny Emmo-reg ho mersenera, tsiahivina ihany.
Nambaran’ny Me Hanitra fa dia misy fitsabahana andraikitra ataon’ny Emmo-Reg ao anatin’ity raharaha ity. Manameloka ny fikasihan-tanana nataon’ny zandary, ny alatsinainy teo, ka nandratrana ny mpiambina iray miandry ny tranon’ny filoha Ravalomanana eo Faravoahitra ihany koa ity mpisolovava ity. Mametra-panontaniana mihitsy aza moa izy fa misy endrika tsy fankatoavana lehibe ataon’ny ao amin’ny Emmo-Reg amin’ny filazan’ny mpitarika ity vondron-tafika ity fa tsy misy afaka mibaiko azy mba hotanterahina afa-tsy ny baikon’ny mpitsara ihany.
Ny Praiminisitra no tompon’andraikitra voalohany amin’ny filaminana ary izy no lehiben’ny mpiasam-panjakana. Ny filohan’ny tetezamita sy ny praiminisitra izao anefa, hoy izy, no efa miteny ny hampitsaharana izany fikasana hisambotra na fiantsoana hiseho eny amin’ny zandary hanaovana fanadihadiana, nefa misy tsy voafehy, manao be marenina tsy manatanteraka baiko. Sa misy minisitra ambonin’ny minisitra eto na tompon’andraikitra ambony noho mpitondra ny firenena ? Hentitra moa ny Me Hanitra Razafimanantsoa niteny fa tsy manana dosie ara-pitsarana i Tojo Ravalomanana, ka aoka izay ny fandrahonana sy ny fanakorontanana saim-bahoaka, fa tsy mitondra mankany amin’ny fitoniana araka ny voalazan’ny tondrozotra izay efa an-dalam-panatanterahana amin’izao fotoana.
Caïus R. sy Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.