Politique

Andramena Tsy manaiky ny hakana ny tahiriny ny ao Antalaha


  • Zoma 19 Aogositra 2011


 «Tsy misy olom-boafidy aminareo ireo na iray aza. Noho izany, tsy manana zo hanery ny vahoaka hanaraka ny fanapahan-kevitratreo satria tsy miteny amin’ny anaran’ny vahoaka ianareo”, santionany amin’ny fanambarana nataon’ny solontenan’ireo mpandraharaha milaza azy ho ara-dalàna ireo manoloana ny fikasan’ny FAT haka ny tahirin’andramenan’izy ireo izany. Milaza ho manana ny antotan-taratasy rehetra manamarina ny fananan’izy ireo ireto mpandraharaha ireto, izay tarihin’i Jean Pierre Laisoa. Nanambara moa ity farany fa vonona ny hiaro ny fananany ireo vahoakan’Antalaha. Voalaza koa fa hiitatra izany amin’ity faran’ny herinandro ity. Manoloana izany dia somary nananosarotra ny asan’ny Task Force tany an-toerana satria dia niziriziry ny vahoaka sy ireo mpandraharaha. Nohamafisin’izy ireo fa tsy hilefitra manana ny ara-dalàna izy ireo satria manana porofo.

 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT