Politique

Andramena tratra tany Maorisy Hajanona any fa lafo ny saran’ny fampodiana azy ?


  • Talata 21 Febroary 2012


 Nandroso hevitra ny avy ao amin’ny ministeran’ny tontolo iainana, ny rano sy ny ala fa aleo tehirizina ao amin’ny masoivohontsika ao amin’ny nosy Maorisy ireo bolabolana boaderozy 6 kaontenera tra-tehaky ny ladoany Maorisianina tamin’ny taon-dasa, fa tsy hampodiana aty Madagasikara, satria lafo loatra, hono, ny saran’ny fitaterana azy ireo mankaty. Elaela tsy voaresaka moa ity raharaha ity satria nanomboka tamin’ny volana jona 2011 dia ny tondrozotra no nibahan-toerana teo amin’ny raharaham-pirenena, tonga koa avy eo ny fizarana seza tao anatin’ny tetezamita sy ny fanehoan-kevitra isan-karzany ka dia adino tanteraka sy tsy nipoitra firy tamin’ny filazam-baovao ilay raharaha boaderozy voatana atsy Maorisy.

Nisy ny fotoana efa nandehanan’ny minisitry ny tontolo iainana sy delegasiona mafonja avy amin’ny fitondrana FAT tany Maorisy. Fifampiraharahana tamin’ny manampahefana Maorisianina no natao tamin’izany, ny amin’ny fomba hampodiana ireo andramena ireo. Araka ny fahafantarana azy dia tsy nitsivalana ny hanatanterahana ilay izy ny fanjakana Maorisianina, saingy nipoitra indray ny olana hafa, lafo loatra ny fitaterana sy fampodiana ireo andramena ireo eto Madagasikara. Koa mipetraka ary eto ny fanontaniana hoe : raha ajanona any amin’ny masoivohontsika any Maorisy ary ireto bolabola ireto dia ahoana ny ho tohin’ny raharaha ? Hatao haingon’ny tokotany ao fotsiny ve, sa hamidy ? Ahoana ny fomba hivarotana azy ?

Hamoahana tolobidy iraisam-pirenena ve, sa tonga dia amidy amin’izay mpandraharaha mahasahy mividy azy fotsiny ? Fa ny tena manitikitika ny saina ihany koa dia ny hoe : afaka mivarotra hazo sarobidy any amin’ny nosy Maorisy no sady mamoaka tolo-bidy any an-toerana izany ve ny fanjakana malagasy ? Tsara homarihana mantsy fa fitondrana tetezamita isika fa tsy tarihana filohan’ny Repoblika lanim-bahoaka, no sady olom-boatendry avokoa no ao amin’ny fahefana mpanao lalàna. Ny mampanahy amin’ity raharaha ity dia tena nitarazoka loatra ilay izy. Efa ho folo volana aty aoriana ve vao fantatra fa lafo ny fampodiana ireo boaderôzy ireo ! Nahoana no tsy efa nodinihana mialoha izany ? Aiza ho aiza koa izao ny fanadihadiana ? Iza marina no tompon’ireo kaontenera naondrana an-tsokosoko ireo ? Misy mpitondra ambony anatin’ny tetezamita ve ? Misy mpandraharaha malagasy ve tafiditra ao ? Nahoana no tsy hita ny niaingany teto Madagasikara fa any Maorisy vao tratra ilay izy ? Manjavozavo be loatra ity raharaha andramena enina kaontenera mbola mihitsoka atsy amin’ny Nosy Maorisy ity ka mila fanazavana matotra sy hentitra avy amin’ny governemanta.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT