Nirotsaka hofidiana ho solombavambahoaka ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano Rtoa Ando Ratsimba avy amin`ny fikambanana Aina Miray.
Atoa Guy Maxime, Ben’ny tanànan’Ankaraobato teo aloha no mitazona ny laharoa anaty lisitra. Haka ny fon’ireo mpifidy feno 18 taona, 600.000 isa miparitaka amina kaominina 26 isa no tanjony izay marihina fa mirotsaka amin’ny anaran’ny tsy miankina. Raha araka ny fanazavana nentin` i Ando Ratsimba mantsy dia olona vonona ny hitondra ny hetahetam-bahoaka marina, tsy hanao kinanga no tokony hofidiana fa tsy anarana antoko. Nohamafisin` i Guy Maxime Ralaiseheno kosa fa fandraisana andraikitra amin’ny fiaraha-monina no ilaina raha ny fanazavany hatrany izay efa hananany traikefa rahateo. Zavatra telo toko lehibe no hiompanany amin’ny asa hotanterahiny eny Atsimondrano raha lany soa aman-tsara eo ny tenany. Lohalaharana amin’ireny ny famerenana ny fiompiana sy ny fambolena mba hiroborobo tsara ho an’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano iray manontolo. Eo ihany koa hoy Atoa Guy Maxime ny fanomezan-danja ny fitsinjaram-pahefana. Raha ny nambarany mantsy dia mbola vao ny 3 % amin’ny volam-panjakana ihany no miverina eny ifotony izay, tranga niaina am-polo taonany maro, tena bitika tsy ampy hanaovana asa fampandrosoana akory ka ilàna fanatsarana. Vonon-kiady amin’izany ny tenany raha ny nambarany. Fahatelo farany izay tsy kely akory dia hijery ny resaka fanabeazana sy ny fahasalamam-bahoaka ihany koa ny tenany ka anisan’ireny ny fananganana foto-drafitrasa mifanaraka amin’ny filàn’ny maro. Nomarihin` ny fikambanana Aina Miray fa tsy hatoro voanjo hadiana amin’ny fampandrosoana an’Atsimondrano ireo ekipa miara-dia aminy koa mino ny tenany fa tsy ho latsa-danja amin’ny hafa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.