Politique

Andininy faha-20 ny tondrozotra Nofy ratsy ho an’i Andry Rajoelina


  • Alatsinainy 30 Janoary 2012

Taorian’ny tsy nahafahan’ny iraka manokan’ny fitondrana tetezamita nandray anjara tamin’ny fivoriana an-tampony faha-18 n’ny Vondrona Afrikanina tany Addis Abeba ny faran’ny herinandro teo, dia miha mazava hatrany ny resaka fa mbola sarotra ho an’ny fitondrana tarihan’i Andry Rajoelina ny hahazo ny fankatoavana tena izy avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

 Midika izany fa mbola maro ny zavatra tsy mety amin’ny fananganana ireo rafitra tetezamita sy ny fitantanana ny firenena amin’ny ankapobeny. Tsy hoe ny fahazoana ilay fankatoavana akory no tena zava-dehibe, fa ny zava-mitranga aoriany, dia eo ohatra ny fiverenan’ny famatsiam-bola sy fanampiana avy any ivelany, izay hita fa tena ilain’i Madagasikara tokoa amin’izao fotoana. Tsy azo adinoina fa orinasa an-jatony no nikatona noho ny krizy, ary ana hetsiny no very asa mivantana na an-kolaka. Azo antoka fa mbola manaratsy endrika ny fitondrana tetezamita ihany koa ny tsy fahatanterahan’ilay andininy faha-20 ao amin’ny tondrozotra momba ny fodian’ireo sesitany politika.

Ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana avy hatrany moa no tonga ao an-tsain’ny rehetra vantany vao miresaka an’io. Nasehon’i Andry Rajoelina tamin’ny famoahany ilay NOTAM ny sabotsy 21 janoary 2012 lasa teo fa tsy mbola vonona amin’ny fiverenan’ilay narodany izy, ary tena hikaroka ny fomba rehetra tsy hahatanteraka izany fiverenana izany, eny fa na dia handraisany fanapahan-kevitra mandika ny fifanarahana iraisam-pirenena rehetra aza. Efa tena mazava anefa ny tenin’i Marius Fransman avy ao amin’ny Troika-n’ny SADC fa tsy azo eritreretina ny hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara raha tsy tafaverina eto Madagasikara Atoa Ravalomanana. Fomba fiteny ara-diplaomatika izany, fa raha tena tsorina ny resaka dia manao hoe : avelao ho kandida Atoa Ravalomanana, afaka milatsaka hofidiana koa i Andry Rajoelina, dia aleo ny vahoaka no hitsara hoe iza no mety aminy. Efa nilaza ny SADC fa tsy misy afa-tsy ny tondrozotra no lalana tokana hamahana ny krizy eto Madagasikara, tanterahana avokoa ny andininy voasoratra ao.

Tsy azo atao dika vilana anefa fa ny fametrahana ny fitoniana sy fananganana tetezamita iaraha-mitantana hitondra any amin’ny fifidianana madio sy mangarahara lavitry ny fifandirana no tanjona. Mamoaka ny gadra politika no atao fa tsy mampiditra azy ireo indray any am-ponja indray. Tokony hisy ny fahalalahana amin’ny fanehoan-kevitra, ary tsy azo ekena ny fanaparam-pahefana. Misy ny zavatra tsy mety matoa mbola voasazy tsy mahazo manatrika ny fivorian’ny Vondrona Afrikanina ny mpitondra tetezamita.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT