Politique

Andina Ambositra Montsana ny kandidà IRD…


  • Alarobia 04 Desambra 2019

Mitarika vonjimaika amin`ny fifidianana kaominaly ao Andina Ambositra Rakotozandrindrainy Raphael, kandidà tsy miankina. Efa azo daholo ny fitanana an-tsoratra amin`ny biraom-pifidianana miisa 15 ary mitarika vonjimaika amin`ny vato 2.232 na salan`isa 80,03%.

 

 

 

 Manoloana ny taham-pifidianana ambany dia noho ny fahavaratra ny andro satria mamboly raha vitsy ny mpifidy, hoy izy. Marihana fa raha lany soa aman-tsara ity kandidà ity dia hitondra an’Andina fanintelony. Ny taona 1999 sy 2015 izy no nitantana ny kaominina. Noho izany, hanohy ny ezaka eo amin`ny tsy fandriampahalemana, fanabeazan`ny ankizy ary fahasalamana ny tenany. Nandritra ny fe-potoam-piasana farany teo dia nisy fiaraha-miasa tamina manampahaizana iray vahiny misahana ny ady amin`ny pesta. Eo amin`ny fanatsarana ny lafiny toekarena indray dia hamboly kafe ny kaominina, izay nampalaza azy hatrizay, ka heverina fa handroso amin`izay lafiny izay afaka fotoana vitsivitsy. Marihana hatrany fa niisa roa ny kandidà nifaninana tao amin`ity kaominina ity ka kandidàn`ny antoko IRD ny iray. 

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT