Araka ny efa nanampoizana azy, taorian’ny fametraham-pialan’ny tale jeneralin’ny Ofisy Malagasy misahana ny akoranafo (OMH)
afak’omaly dia nesorina tamin’ny toerany ihany koa omaly hariva ny minisitry ny angovo sy ny rano ary ny akoran’afo Atoa Vonjy Andriamanga. Ny olana teo amin’ny fikorontanan’ny famatsiana sy fitsinjarana ny solika no re fa anton’izao fanapahan-kevitra noraisin’ny governemanta izao. Eo ihany koa moa ny olana miverimberina amin’ny fahatapahan’ny herinaratra sy ny famatsiana rano eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina izay samy eo ambany fiahian’ity minisitra ity avokoa. Hoy indrindra ny tati-baovaon’ny filankevitry ny minisitra natao omaly : “Araka ny didim-panjakana noraisin’ny filoham-pirenena avy amin’ny tolo-kevitry ny praiminisitra dia nesorina tsy ho eo amin’ny toeran’ny minisitra misahana ny angovo, ny rano ary ny akoranafo intsony Atoa. Vonjy Andriamanga ka ny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra Atoa. Christian Ramarolahy no misolo vonjimaika ny toerany”. Tranga izay manaporofo hatrany ny efa notaterina teto amin’ny gazety fa mikorontana ny fitantanan-draharaham-panjakana eto Madagasikara ary tsy mety mahita ny vahaolana tena mahomby ny mpitondra ka mba hanatsaratsarana ny sary dia tsy maintsy manala tompon’andraikitra aloha. Olana saro-bahana anefa ny resaka solika eto Madagasikara, tsy vitan’ny fanapahan-kevitra kimaimaika fa misy olana fototra mila fantarina izay vao mitondra vahaolana mahomby.Raha ny fahafantarana azy dia niezaka nikaroka io vahaolana io ny minisitra teo aloha Vonjy Andriamanga, saingy toa ezaka nandeha ila ihany ny azy noho ny tsy fisian’ny firaisankina eo amin’ny governemanta, toa samy maka ho azy izany ireo minisitra. Ny praiminisitra aza moa efa ho iray volana aty aorian’ny olana maro lafy vao miteny kely. Mbola fanontaniana manitikitika ny maro anefa taorian’izao fanesorana ny minisitry ny angovo izao ny hoe : hivaha amin’izay ve izany ity olan’ny solika ity ? Ahoana ny momba ireo kaompania telo lehibe (LPSA, Total, Shell) nosaziana handoa lamandy ? Manaiky izany ve izy ireo sa hitondra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana ? Tsara homarihana ihany koa fa minisitra roa izany izao no efa niala tao anatin’ny governemanta, dia ny minisitry ny raharaham-bahiny Naina Andriantsitohaina izay kandida ben’ny tanàna eto Antananarivo Renivohitra ka ny praiminisitra no misahana vonjimaika ny asany. Faharoa, ny minisitry ny angovo Vonjy Andriamanga. Mpisolo toerana ihany koa no hisahana ny fampandehanan-draharaha ao amin’ny minisitera notantaniny. Tsy takon’afenina intsony fa mandalo krizy ihany koa ny fitondam-panjakana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.