Politique

Anarana Zanak’Androy Voizina hitadiavana seza fotsiny


  • Alakamisy 31 Martsa 2016

Tantara mitohy ny resaka Zanak’Androy. Maro amin’ireo avy any Androy ny tohina sy sorena amin’izany.

 

 Mivoaka mihitsy aza ny resaka ankehitriny fa tsy mbola nisy fifanarahana na fifidianana nananganana izany fikambanan’ny Zanak’Androy izany mihitsy fa mpisandoka izay olona mitonona ho filohan’ny Zanak’Androy amin’izao fotoana izao.

Lasa lavitra mihitsy aza ny resaka ankehitriny fa tetika hitadiavana toerana ao anaty governemanta no tanjon’io fivoizana zanak’Androy io, ary olona manodidina ny filohan’ny Repoblika ihany no ao ambadik’izany. Mahavita mitety faritra io olona io, ary dia any Toamasina indray izy amin’izao.

Ny fampiharana ireo zavatra tinapaka nandritra ny fihaonambe nasionaly natao tao Ambovombe farany teo, nitadiavam-bahaolana maharitra ho an’Androy no mahamaika izao, hoy ny avy any an-toerana, dia ny fampidirana rano ho an’ny fambolena sy ny fiompiana ary hosotroin’ny vahoaka, fa tsy ny fivoizana resa-poko tsy hitondra fampandrosoana akory.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT