Noraisin’ny Troika an-tanana ny fiarovana an’i Tojo Ravalomanana nanomboka omaly hariva.
Mitranga izany manoloana ny antsojay samihafa sy fandrahonana ary herisetra ara-moraly ataon’ny mpitondra FAT sy ireo tsy refesimandidy mpanararao-pahefana, amin’ity zanaka lahiaivon’ny filoha Marc Ravalomanana ity, sy ireo teratany afrikanina tatsimo, tafara-dia tamin’izy mivady sy Randrianarisoa Guy Rivoniaina, mpiara-miasa amin’ny filoha Ravalomanana sady mpitondra tenin’ny ankolafy Ravalomanana rahateo, izay tonga ny tolakandron’ny alahady 27 novambra teo. Voizina mafy indray mantsy ankehitriny fa hoe mersenera ireo Afrikanina Tatsimo. Omaly tolakandro, tamin’ny efatra teo, dia nihaodihady teny Faravohitra, misy ny tranon’ny filoha Marc Ravalomanana, teny ny Emmo-reg, taorian’ny fivoriana tany an-dapa tany. Vetivety dia niely eran’Antananarivo, eny fa hatrany amin’ny Faritra aza ny feo, vokatry ny teknôlôjia, fa hosamborin’izy ireo ao i Tojo Ravalomanana.
Tsy tao anefa ity farany tamin’io fotoana io fa mbola tany ampitetezana fianakaviana tany. Rehefa izay dia taratasy no najanon’ny mpitandro ny filaminana tao, mampiantso azy hiseho eny Betongolo anio talata 29 novambra maraina amin’ny valo ora. Niova indray ny resaka nony hariva fa dia hoe hangataham-panazavana mikasika izany mersenera vazaha nentiny avy any Afrika Atsimo izany no ilana an’i Tojo ho tonga eny Betongolo, ary nahemotra ho amin’ny sivy ora maraina indray ny fotoana. Mandritra izany ireo mpitarika politika, indrindra fa ireo mpanao sonia ny tondrozotra, dia mivory miaraka amin’i Andry Rajoelina eny Iavoloha. Tsy nipetra-potsiny ny avy amin’ny ankolafy Ravalomanana fa nanontany azy ny amin’izao zava-miseho izao, izay manohintohina ny fanatanterahana ny tondrozotra. Nampanantena azy ireo i Andry Rajoelina fa handray andraikitra. Nampahafantarina ny zava-misy ary nangataham-panazavana ihany koa ny praiminisitra amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany azy mikasika ny filaminana, ary dia mitovy ny zava-boalaza fa dia handray andraikitra. Tsy nipetra-potsiny ihany koa ny masoivohon’i Afrika Atsimo, satria dia misy teratanin’izy ireo voatohintohina ao anatin’ity raharaha ity. Ny ambasadaoron’i Afrika Atsimo, Mokgheti Monaïsa, rahateo no mitarika vonjimaika ny birao fifandraisan’ny SADC eto, manara-maso ny fampiharana ny tondrozotra. Ary dia niafara amin’io fidiran’izy ireo an-tsehatra amin’ny fandraisana an-tanana ny fiarovana an’i Tojo Ravalomanana io ny raharaha omaly hariva. Ny tondrozotra rahateo dia manome zo ny hiarovana ny fianakaviana Ravalomanana sy ny fananany.
Miteraka resabe ity trangan-javatra omaly ity, izay maha tandindomin-doza ny hoavin’ilay tondrozotra. Mazava ihany koa izao ny resaka fa dia olon’ny FAT no mitetika ny hampandamoka indray ny fampiharana azy io, ary dia manana andraikitra feno amin’izany na i Andry Rajoelina na ny Praiminisitra. Manomboka tamin’ny soratsoratra tamin’ny rindrina teny Ampefiloha teny io endrika fanakorontanana io ny alahady, nitohy teny Ivato tamin’ny alalan’ny AV7. Mbola olon’ity fikambanana ity no niditra an-telefaonina tao amin’ny Radio Viva, tao anatin’ny fandaharana “Aoka hazava !” omaly antoandro, mandrahona ny handray fepetra mikasika ireto olona vao tonga avy any Afrika Atsimo ireto hamerina azy any an-tany niaviany, rehefa tsy hihetsika ny fanjakana (?). Dia io nitohy tamin’ny bemidina nataon’ny Emmo-Reg teny Faravohitra io ny omaly tolakandro.
Mampieritreritra ny zava-mitranga satria dia ara-dalàna ny fidiran’ireo Malagasy sy ireo teratany Afrikanina Tatsimo ireo teto. Efa fantatry ny fitondrana mialoha rahateo ny mombamomba azy ireo nialoha ny nahatongavany teto io alahady io. Mbola nasaina nameno taratasy rahateo ireo olona rehetra ireo nialoha ny nivoahan’izy ireo ny faritry ny seranana io alahady io ihany. Koa raha misy zavatra nampiahiahy, teo no ho eo ihany dia ny polisy misahana ny fiarovana ny sisin-tany, na koa ny teo anivon’ny DST izay tonga teny Ivato dia efa nandray fepetra namerina ireo olona ireo tany an-taniny, fa tsy 24 ora aty aoriana fa mamoron-javatra hafahafa, fantatry ny mpitandro ny filaminana rahateo ny hotely nitoeran’ireo vahiny ireo tetsy Antsahavola. Tsy mifampatoky ny samy mpitandro ny filaminana sa efa filana antsojay ? Raha itsy voalohany dia henatra ho antsika izany, fa raha antsojay kosa dia vao maika hanamora ny fidiran’ny miaramilan’ny SADC hoavy eo hanatitra sy hiaro ireo sesitany politika, toy ny filoha Ravalomanana, amin’ny fiverenan’izy ireo an-tanindrazana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.