Hanao fihaonana eny Andoharanofotsy ireo Ben’ny tanŕna ato amin’ny Faritra Analamanga. Mandritra izany ihany koa no hanavaozana ny birao mpitantana ny fikambanan’ny Ben’ny tanŕna.
Ny Ben’ny tanànan’Ambohidratrimo, Rajaosolo Clovis Arthur no filoha am-perinasan’ny fikambanana. Tsy mbola nahenoan-teny izy na mbola hirotsaka. Ny hany re fa mety ho kandida amin’io toerana io dia ny Ben’ny tanànan’i Soavina, Rakotoarisoa Bien Aimé Rigobert. Fifanakalozana traikefa, fanamafisana fiaraha-miasa sy fifanakalozana ary koa firahalahiana no anisan’ny kendrena amina fikambanan’ny olomboafidy toy itony.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.