Politique

Ampy izay ny tsy rariny Hihetsika ireo miaramila misotro ronono


  • Alarobia 24 Janoary 2018

Leo ny fanaovan’ny fanjakana bemarenina sy tsy firaharahiana tsotr’izao ny fitakiany ny fikambanan’ny miaramila misotro ronono. Noho izany, dia hanao hetsi-pitakiana lehibe izy ireo manomboka anio alarobia 24 janoary, taorian’ny tsy nahatomombana ilay saika hatao ny sabotsy 20 janoary lasa teo.

 

 Hentitra ny fanambarana fa tsy hijanona ny tolona sy fitakiana raha tsy misy ny valiny mahafa-po. Hatomboka amin’ny alalan’ny diabe miala eny Anosy ka hatreny Ambohijatovo izany anio. Anisan’ny takian’ireto mpitandro ny filaminana efa misotro ronono ireto ny fampiakarana ny vola fisotroan-dronono hifanaraka amin’ny mari-karama. Tamin’ny 2006 dia nisy ny fampiakarana mari-karama sy ny karama. Nakarina anefa ny mari-karama avy eo saingy ny karama tsy niakatra intsony, raha ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanan’izy ireo Randrianasimanana Jean Solo omaly. Olona tsy mitovy grady sy mari-karama kanefa mitovy ny vola raisina, raha ny fanazavany. Efa nisy ny fifampiresahana, saingy tsy nahitam-bokany, ka dia tsy maintsy miroso amin’izao dingana avoavo kokoa izao. Manoloana ny filazana sy fandotoana ny tolona amin’ny hoe misy ambadika politika, dia tsotra ny navalin’ny mpitarika fa tsy misy ambadika politika io, ary tsy mpanao politika izy ireo amin’ny maha miaramila, saingy tsy maintsy mitaky ny zony kosa ny fikambanana. Tsara ny manamarika fa efa hatrany amin’ny taona 2017 sy tany aloha aza izy ireo no nitaky izay zony izay, saingy tsy noraharahiana. Mety mbola variana amin’ny kajikajy maloto hibodoana fahefana ihany koa angamba.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT