Politique

Ampiharo na adabohy !


  • Alakamisy 01 Desambra 2011

Tsy azo eritreretina intsony ny hanovana indray ny mpikambana ao amin'ny governemanta Beriziky taorian'ilay taratasy nalefan'ny Troika farany teo.

 Miasa aloha izany izay efa tafiditra ao. Mipetraka ary ny fanontaniana hoe : ahoana ny momba ny ankolafy Ratsiraka ? Tsy mbola nanasonia ny tondrozotra, tsy nanolotra anarana kandida praiminisitra sy minisitra ary tsy mbola voasolotena ao anatin'ny parlemantan'ny tetezamita ihany koa ? Araka ny fandinihana ny fizotry ny raharaha mantsy dia na atao hoe : hisy ihany ilay fihaonana an-tampon'ny filohan'ny ankolafy politika amin'ity taona ity, dia tsy hisy akony firy amin'ny fikitihana ny rafitra efa mijoro izany, fa natao fotsiny hifanazavana sy hifamelana ary hihavanana. Ary raha toa ka aorian'io fihaonana io no mbola hanova governemanta indray dia hitarazoka ny asa ary hitombo ihany ny fahasahiranana.

Raha ny tokony ho izy dia aorian'ny fitsanganan'ny CT sy ny CST no miverina amin'izay ny fanampiana avy any ivelany, satria efa misy governemanta araka ny tondrozotra ary misy parlemanta hanara-maso ny asany ihany koa no sady hanao lalana mandritra ny tetezamita. Inoana anefa fa mahalala tsara ny zavatra ataony ny ankolafy Ratsiraka ary azo antoka fa efa manana paikady haitrehana ny tranga rehetra. Efa maro rahateo no mahita fa efa nahatafiditra olona anaty governemanta sy any amin'ny parlemanta ity ankolafy ity na dia milaza ny mifanohitra amin'izany aza. Zavatra tokana sisa andrasana dia ho tapitra ny nofy ratsin'ny tetezamita, dia ny fahatongavan'i Marc Ravalomanana eto Madagasikara.

Olana iray, azo atao hoe goavana ary tena sakana amin'ny fampiharana antsakany sy andavany ny tondrozotra ny tsy fahatanterahan'izany, satria mety hisintaka amin'ny tetezamita indray ka hampandringa ny zava-drehetra ny ankolafy Ravalomanana raha toa ka tsy avela miditra eto ny filoha mpitarika azy. Efa voasoratra ao amin'ny andininy faha-20 amin'ny tondrozotra rahateo fa avela miverina an-tanindrazana tsy misy fepetra ireo sesitany politika, ka tsy hita loatra intsony izay atsanga tsy aman'orana mbola hoforonina. Mazava koa ny resaka fa mila avoaka ny gadra politika rehetra ary atsahatra ireo raharaham-pitsarana mifandraika amin'ny krizy 2009. Raha misy olona tokony hatao fanadihadiana na atolotra ny fitsarana dia ao anatin'ny Repoblika faha-4 no hanaovana izany fa tsy mandritra izao tetezamita izao, raha fitoniana marina no tadiavina. Tsotra ny resaka eto : ampiharo na adabohy, dia ho hita eo izay ho tohiny.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT