Politique

Ampela Manao Politika Tsy andraikitry ny antoko politika manao foto-drafitrasa


  • Alakamisy 25 Aogositra 2011

Ny asa soa tanterahin’ny departemanta sosialy ao aminy no azon’ny antoko politika atao, hoy Rtoa Rasamoelina Brigitte filohan’ny antoko Ampela Manao Politika, fa tsy ny mifaninana amin’ny fanjakana sy ny Ong ary ny fikambanana fehezin’ny lalàna 60-133 ka manana loharanom-bola mazava hananganana ireny foto-drafitrasa eto amin’ny firenena ireny.

 Tokony hatsaraina mihitsy ny sehatra politika eto Madagasikara, hoy izy, fa misy ny manaotao foana. Tokony angatahan’ny vahoaka koa ny zava-bitan’ny antoko politika tsirairay avy eo amin’ny anjara andraikiny marina ka izay no efa nivoizanay Ampela Manao Politika hatrany am-boalohany ny resaka fanjakana tsara tantana ahatongavana any amin’ny tanjona fampandrosoana, hoy izy. Nampatsiahy Rtoa Rasamoelina Brigitte fa ny andraikitry ny antoko politika dia ny manao fampiofanana ny mpikambana ao anatiny ary manabe ho olom-pirenena ny vahoaka. Amin’ny ankapobeny, hoy izy, ny antoko politika dia natao hivoy foto-kevitra fa tsy vola na fitaovana, na foto-drafitrasa. Ny fomba fanehoany hevitra sy ny vina hitondrany ny firenena no tokony hifidianan’ny vahoaka azy, hoy ity filohan’ny AMP ity, fa tsy ny hetsika ataony. Dia tsy maintsy hisy hiteny aminareo indray eo hoe : «tsy azo hohanina ny resabe» â !

 

Manohy

 

SARY : Rtoa Rasamoelina Brigitte filohan’ny AMP

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT