Politique

Ampanjaka sy Printsy ary Olobe Tokony hihavana ny Malagasy fa tsy hifamingana an-toerana


  • Alakamisy 23 Aogositra 2012

Tsara petraka ny antson’ny Zanadranavalona teny Anosimanjaka tamin’ny andron’ny Alahamady ny 18 aogositra teo ny amin’ny tokony hivoizan’ny mpanao politika amin’izay ny fihavanana sy ny fifankatiavana, hoy ireo Ampanjaka sy Mpanjaka ary Printsy sy Olobe samihafa tonga nanotrona ny fankalazana an’io taom-baovao malagasy io izay nosoloin’ny Printsy Razafintsiandraofa Jean Brunelle tena teo amin’ny fandraisam-pitenenana

 Tsara petraka ny antson’ny filohan’ny Zanadranavalona, hoy izy, mba hitodihana amin’ny fifamelana sy famitranam-pihavanana izay satria samy eto anie isika mianakavy ê ! Ho aiza moa ? Tsy tokony hanaraka ny taona vaovao sy ny manaraka intsony ny disadisa sy ny olana nosedraina tany aloha tany, hoy izy, fa fotoanan’ny fifamelana ny tahaka izao atrehana izao. Tokony ho ny tombontsoantsika rehetra amin’izay no jerena hoe : mahasoa antsika ve ny fijoroana amin’ny hevitra tahaka izao ?

Mahamety sy mahatsara ny fiarahamonina ve ny fitodihana na fijoroana amin’ny fijery ohatra izao ? Fotoanany izao hametrahana izay fihavanana izay amin’izay ho avo dia avo. Aoka hazava tsara fa ny fotopisainana sy fanabeazana no mibaiko izay atao hoe fahatsiarovantenan’ny Andriana sy ny Mpanjaka izay fa ny tena Andriana dia olona manana fijery mitodika amin’ny tanindrazana ary saro-piaro amin’izany lova napetraky ny razana izany izay tolotra avy amin’i Zanahary. Raha tsy tonga amin’izay fomba fijery izay isika, tsy mbola tojo amin’izay fahendrena izay dia miala tsiny fa tsy maintsy ny vahiny foana no hitavana sy handroaka ny haren’ity firenena ity ka izay no mahatonga anay zanak’Ampanjaka ho saro-piaro satria Zanahary no mametraka ny razantsika teto ary mbola Izy ihany koa no nametraka antsika eto. Ka manana adidy isika hiaro ny lova napetraky ny Zanahary sao hanjary ho tompony mangataka atiny ilay Malagasy.

Fa izay vahiny tonga eto, manangan-javatra goavana, mandeha amin’ny fiara raitra dia raitra. Mety amin’ny masontsika sy ny fijerintsika ve fa isika Gasy dia lasa tompony mangataka atiny ? Lasa ory hava-manana isika. Vao mandroso kely ny mpifanolo-bodirindrina na ny namana mpifanerasera dia efa enjehana. Lavin’ny saintsika izao ny hoe : eto amin’ny tanintsika isika no misandratra, eto amin’ny tanintsika isika no tokony ho masina sy mandroso hasina. Ka ekenay ny fijoroana amin’ny maha izy ny tena tahaka izao ataon’ny Zanadranavalona izao (ka mahatonga anay eto). Izay ilay fototra fa manahirana anie izany tenenin’ny olona hoe : “olona tsy misy fotony izany ê !” Fa izao rivotra avy any ivelany mitsoaka izao dia mampihozongozona. Ka ho anay ireto dia ekenay ny fanorenana amin’ny fototra nentim-paharazana tahaka izao ety Anosimanjaka izao.

 

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT