Politique

Amoron’i Mania Niserana Ravalo, nikoropaka ny HVM


  • Alarobia 15 Febroary 2017

Nanamarika ny faran’ny herinandro lasa iny tao Amoron’i Mania, Ambositra sy Fandriana indrindra indrindra ny fitsidihan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tany an-toerana.

Raharaham-piangonana eo anivon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara no anton-diany tany, amin’ny maha filohan’ny Komitin’ny Jobily faha-50 taonan’ny FJKM azy, saingy nifandrombahan’ny olona i Marc Ravalomanana tamin’ny toerana rehetra nolalovany ary be no miantso sy miangavy azy hirotsaka hofidiana filoham-pirenena amin’ny fifidianana ho avy, hanavotra ity firenena latsaka an-katerena ity. Nihaino ny hetaheta sy ny fitarainan’ny vahoaka tamin’ireo toerana notsidihiny rahateo i Dada ary nizara teny fampanantenana tamin’izy ireny. Nihorohoro ny Hery Vaovaon’i Madagasikara teo anatrehan’izany. Nivory maika tao amin’ny Sokela de la Mania Ambositra ireo lohandohan’ny HVM Amoron’i Mania ny tolakandron’ny alatsinainy teo, notarihin’ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Rasoazananera Monique sy nanomezan’ity farany toromarika ireo mpikambana HVM.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT