Politique

Amoron’i Mania “Manevateva olona ny lehiben’ny Faritra”, hoy i Mamonjy


  • Zoma 23 Martsa 2012

Tsy nisorona Atoa Randriatahina Jacque Pierre na i Mamonjy, mpitarika ny mpanao asa tanana ao Ambositra, raha nilaza fa “tsy mahafehy tena intsony fa manao teny tsy voahevitra ary manevateva olona amin’ny onjam-peo sisa no ataon’ny Lehiben’ny Faritra Amoron’i Mania Maminirina Jososa Eugčne”.

 Naneho hevitra mikasika ny resaka mandeha ao Ambositra amin’ny fanoloana Lehiben’ny Faritra ity farany ny harivan’ny alarobia 21 martsa teo rehefa heno fa tsy mbola nosoloina ny tenany. Nirehareha ny lehilahy no sady nanaratsy ireo mpanao politika maro ao Amoron’i Mania nilaza fa tsy mbola tafala teo amin’ny toerany na dia tsy mbola salama aza. Manoloana izany dia nampiantso mpanao gazety Atoa Mamonjy, mpitarika ny mpanao asa tanana ao an-toerana fa “tsy mendrika amin’ny maha Raiamandreny azy sy manala baraka ny fitondrana tetezamita ny voalazan’Ingahy Lehiben’ny Faritra”. Manameloka tanteraka ireo teny navoakany tao amin’ny onjam-peo ny tenany ka nilazany fa “tsy mendrika hitantana ny Faritra Amoron’i Mania intsony ny mpitondra maniratsira sy manao tsinontsinona vahoaka toy ireny”. Nisaotra ny fitondrana tetezamita tsy mbola nanendry izay ho Lehiben’ny Faritra vaovao ao Amoron’i Mania i Mamonjy satria mila fandinihana lalina ny fanendrena izay hitondra ny Faritra ao Amoron’i Mania ao. Nambarany fa mbola manohana 100% ny DAGT izay natolotry ny maro an’isa ny tenany izay heveriny hitondra an’Amoron’i Mania ho any amin’ireo fifidianana madio sy mangarahara any an-toerana. Manao antso avo ity mpitarika ny mpanao asa tanana ao Ambositra ity mba hametraka izay olona mahay miara-miaina amin’ny vahoaka sy eken’ny rehetra ao Amoron’i Mania.

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT