Politique

Amoron’i Mania Mafampana ny rivotra politika


  • Talata 17 Aprily 2012

Naneho fisaorana ny mpitondra tetezamita ny amin’ny tsy nanendrena ilay olona saika hotendrena ho Lehiben’ny Faritra ao Amoron’i Mania farany teo ireo ankolafy politika maro misy any an-toerana raha nihaona tamin’ny mpanao gazety ny sabotsy 14 aprily 2012 teo.

 Nambaran’ireo mpanao politika miray amin’ny fanohanana ny marimaritra iraisana ao Amoron’i Mania fa tsy mahalala akory ny Faritra Amoron’i Mania io olona saika hotendrena io. Namaky bantsilana ny tsy fandehanan-draharaham-panjakana eo anivon’ny fiadidian’ny Faritra amin’izao fotoana izao koa ireto mpanao politika ireto. Nambaran’izy ireo fa tsy miditra birao ny Lehiben’ny Faritra am-perinasa noho ny tsy fahasalamany ara-batana. Tsy misy intsony, tato anatin’ny dimy volana izao, ny fitsidihana ataony any amin’ireo Kaominina 55 ao amin’ny Faritra, indrindra ireo izay nitondra takaitra tamin’ny fandalovan’ireo rivodoza nifanesy.

Maro ireo lalana namboarina niarahana niasa tamin’ny FER no efa potika avokoa noho ny tsy fisian’ny fikojakojana sy tsy fahatomombanana tamin’ny fanamboarana azy. Mirongatra ny asan-dahalo, manjaka ny vono olona, indrindra any ambanivohitra, toy tsy manana mpitondra ny vahoaka... Miaina ao anatin’ny lainga sy fitaka ny vahoaka ao Amoron’i Mania, hoy ireto mpanao politika ireo, amin’ny filazana fa salama tsara afaka miasa ara-dalàna ny mpitantana ao nefa fantatry ny vahoaka ny toe-pahasalamany. Koa mitaky ny hanendrena Lehiben’ny Faritra avy amin’ny marimaritra iraisana izy ireo.

Rado

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT