Politique

Amnistia Nozaraina ilay «Mémorandum»


  • Alarobia 21 Martsa 2012

Nomena ny dika mitovy amin’ilay “mémorandum” na antontan-kevitra mirakitra ireo tsara ho tadidy sy fantatra ary horaketina raha handrafitra ny volavolan-dalŕna mikasika ny amnistia ny minisitry ny fitsarana, ny minisitry ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana ary ireo mpahay lalŕna mandrafitra ny komitin’ny manampahaizana handrafitra io volavolan-dalŕna io.

 Ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina no nanolotra azy ireo izany tao Ambohitsorohitra omaly. Ny filohan’ny FAT sy ny praiminisitra ihany rahateo no notoloran’ny Troika-SADC io “mémorandum” io, taorian’ny asan’ireo manampahaizana vahiny momba ny lalàna nalefan’izy ireo teto herinandro lasa izay araka ny fangatahan’ny FAT, ka io omaly io vao nomena ny dika mitovy aminy ireo tompon’andraikitra ireo. Manana hatramin’ny 31 martsa 2012 ny andrimpanjakana isan-tokony hamitana ity lalàna momba ny aministia ity. Dingana maro anefa no mbola holalovany, miainga amin’ny fandrafetana ny volavolan-dalàna hataon’ny komitin’ny manampahaizana, dia entina hodinihina eo amin’ny filankevitry ny governemanta avy eo ny filankevitry ny minisitra izay vao halefa hankatoavin’ny Parlemanta.
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT