Politique

Amnistia Mitifi-tena ny FAT


  • Zoma 13 Aprily 2012

Dom-bera tao amin’ny Cafétéria Tsimbazaza no nandraisan’ireo mpiara-dia amin’ny FAT ny fandanian’izy ireo samirery ilay volavolan-dalàna laharana 007/2012 tamin’ny 27 martsa 2012 momba ny famotsoran-keloka ho an’ny fampihavanam-pirenena, natao tao amin’ny Kongresin’ny tetezamita omaly.

 Toa afo-mololo ihany anefa ilay hafaliana satria omaly hariva ihany dia nivadika ho fanahiana sy nenina teo amin’ny ankamaroan’izy ireo aza ilay tsangan-tanana anjambany nataon’izy ireo ny antoandro nentina nandaniana io volavolan-dalàna io, ka dia tonga amin’ny oha-pitenenana Malagasy manao hoe “main’ny afo natsangany” ry FAT.

Diso paika : Niantehitra tamin’ny fitsarana ny raharaha 7 febroary 2009, ka ny handetika an’i Marc Ravalomanana sy ny nanao lisitr’ireo heloka tsy ahazoana famotsoran-keloka no nahamaika sy masaka tao an-dohan’ireo olon’ny FAT ao Tsimbazaza rehefa nandinika ilay amnistia, fa hadinon’izy ireo tanteraka ilay foto-kevi-dehibe mibaiko hoe ho an’ny fampihavanam-pirenena. Diso paika izy ireo. Fifanarahana politika mantsy no loharanon’ity resaka amnistia ity. Manaraka izay, tsy mbola olo-meloka i Marc Ravalomanana ary raharaham-pitsarana tsy mbola mifarana raha ny amin’ny “7 febroary 2009”. Na ny AV7 aza mbola manokatra fanadihadiana vaovao. Tany Genève ihany koa, tamin’ny febroary 2010, dia tsy nandray an’iny fitsarana iny ho manan-kery satria tsy voahaja ilay tsy fiandanian’ny mpitsara sy ny fitsarana mahaleotena ary tsy fisian’ny fanadihadiana lalina natao fa dia nohenjinkenjehana ny fanamelohana, ka dia foanan’ilay andininy faha-16 amin’ny tondrozotra iny dia mijanona eo. Mazava araka izany fa raha naneho finiavana ny handray anjara tamin’ny fandinihana ilay volavolan-dalàna tany amin’ny asam-baomiera ny ankolafy Ravalomanana dia hiady ho an’ny rehetra mba hisian’ny fampihavanam-pirenena fa tsy ho an-dRavalomanana velively. Ny azy efa milamina, fa ho an’ireo miaramila nogadrain’ny FAT, ny an’ireo naneho ny heviny nefa dia fonja no setriny, no nandraisana anjara. Tsy vonona ny ho amin’izany anefa ny FAT ka dia naleon’ireo Parlemantera avy amin’ny ankolafy Ravalomanana nisintaka, tsy ho mpiray petsapetsa amin’ny tsy maty manota. Hadinon’ny olon’ny FAT ihany koa fa olom-boatendry izy ireo no nandany io lalàna io, noho izany dia mbola azo ovaina izany rehefa tonga ny tena tompon-toerana, dia ireo depiote izay hofidiam-bahoaka eo.

Tsy ho afa-bela : Misy andininy 16 ilay lalàna. Natao isan’andininy ny fandaniana azy. Teo amin’ny andininy faha-5 no tsy nifanarahana ka nahatonga ny ankolafy Ravalomanana sy ireo avy amin’ny ankolafy hafa nivoaka ny trano, satria efa sangy mihoatra ny loha no tadiavina hapetraka ho lalàna eto amin’ny firenena, ka nanavahana karazana heloka bevava tsy hofaizina, toy ny fandoran-trano. Nankatoavin’ireo olon’ny FAT anjambany moa io andininy faha-5 io ary dia mihevitra izy ireo fa hampilamin-javatra izay.

Tsy neritreretin’izy ireo anefa ny ho fiantraikan’ny fampiharana ilay andininy faha-2 amin’io lalàna io, izay tsy hahafa-bela an-dry Pety Rakotoniaina, Pierrot Rajaonarivelo, Voninahitsy Jean Eugène sy ny hafa eny fa hatramin-dry Maharante Jean de Dieu. Ity farany izay Governoran’i Toliara tamin’ny andron’ny amiraly, ary anisan’ireo Governora nanao “secession” ka nanapa-kevitra ny hampisintaka ny faritany notantaniny tamin’ny fanjakana foibe, ka nanangana “Fanjakana Mizakatena”, izay heloka bevava eo anatrehan’ny lalàmpanorenana. Iretsy hafa moa tsy misy ifandraisany amin’ny raharaha politika no nanenjehan’ny fitsarana azy ireo ka nidiran’izy ireo am-ponja. Ny an’ny sasany seky tsy misy anto-bola, ny an’ny hafa tafiditra tamin’ny raharaha vola sandoka, tao ny fisandoham-pahefana nentina nanodinkodina volam-bahoaka … Main’ny afo natsangany, araka izany, ary mitifi-tena ireto olon’ny FAT ireto.

Fanerena : Omaly moa dia natao hazakazaka arahin-tosika ny nahatongavan’ilay lalàna vao nolaniana teny amin’ny Kongresy io teny Anosikely mba hodinihin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita. Nisy mihitsy ny fandodonana miendrika fanerena ny filohan’ny kongresin’ny tetezamita, Mamy Rakotoarivelo, hamita izany malaky. Tsy vitan’izay nandefasana ny kestora faharoan’ny Filankevitry ambonin’ny tetezamita mantsy fa mbola narahina antso tamin’ny finday nataon’ny tomponandraikitra ambony ao amin’ity rafitra mpanao lalàna ity ihany koa.

Na dia efa tapaka nandritra ny “conférence des présidents” aza anefa ny fandaharam-potoana sy ny dingana harahin’ity volavolan-dalàna ity eo anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, dia tsy narahina izany fa dia nentina ary nankatoavina avy hatrany teo anivon’ny vaomiera nitambaram-be ilay volavolan-dalàna, omaly hariva tamin’ny dimy ihany, izay tsy naharitra ora iray akory ary natao ampitaka ny nanatanterahana azy mba tsy handraisan’ny ankolafy Ravalomanana anjara, ary anio maraina sahady dia haroso holaniana mandritra ny fivoriana itambaram-be. Eto no mety ho tsotsorimamba isarahana satria dia bontolo, miendrika fihetsika jiolahim-boto no handaniana ilay volavolan-dalàna heverina hitondra fitoniana eto amin’ny firenena. Hafanafana, araka izany, eny Anosikely anio !

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT