Politique

Amnistia Miaro an-dRavalo ny SADC


  • Alatsinainy 13 Febroary 2012

Ny SADC mihitsy ankehitriny no mitaky ny hanomezana amnistia ho an’ny filoha Marc Ravalomanana raha miezaka mandany fotoana sy mandrirarira an’izany ny FAT.

 Nivory maika tao Cape Town - Afrika Atsimo ny Troïka-SADC ny faran’ny herinandro teo, mandinika manokana ny raharaha Madagasikara. Taorian’ny fivoriana dia nanamafy ny minisitry ny raharaham-bahiny Afrikanina tatsimo fa mila vitaina alohan’ny faran’ity volana febroary ity ny fandaniana ny lalàna mikasika ny amnistia, ary tokony hekena ny hanomezana izany ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ahafahany miverina an-tanidrazana.

Nanampy fanazavana ingahy Clayson Monyela, mpitondra tenin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny, fa teboka iray lehibe ary manan-danja tokony hovitaina hatramin’ny faran’ity volana febroary 2012 ity io resaka amnistia io. Manipika mazava koa i Clayson Monyela fa tokony hampiharina manontolo ny tondrozotra izay novolavolain’ny SADC. Tsy nanambara kosa anefa ny tenany, amin’ny zavatra hihatra amin’i Madagasikara, na ny mpitondra raha tsy manantanteraka ny tondrozotra, nosoniavina tamin’ny 17 septambra 2011 iny. Ny filazana sahady ny ho fiantraikan’ny tsy fanatanterahana ny tondrozotra dia mety hanakorontana ny fampiharana azy, hoy i Clayson Monyela, fa ny ataon’ny SADC izao dia ny miantso ny fahatsiarovantenan’ny rehetra hialan’i Madagasikara amin’izao krizy izao, hirosoana mankany amin’ny fifidianana.


Notsiahivin’i Clayson Monyela fa raha nanandrana hody an-tanindrazana ny filoha Ravalomanana ny volana janoary lasa iny dia voatery niverin-dalana ny fiaramanidina nitondra azy satria nakaton’ny mpitondra ny seranam-piaramanidina rehetra taty Madagasikara. Mety ho fahadisoana, hoy hatrany ity mpitondra teny ity, raha mbola hikiry hody nefa tsy vita io resaka amnistia io. Nanipika mazava i Clayson Monyela fa sarotra ny hisy fitoniana eto raha tafaverina an-tanindrazana ireo sesitany politika nefa tsy vita io amnistia io, noho ireo fandrahonana sy fampihorohoroana samihafa misy.


Laharampahamehan’ny mpitondra ve anefa izany resaka amnistia izany, ary mitovy ve ny zavatra eritreretina sy andrasan’ny SADC sy ny mpitondra eto raha miresaka amnistia ? Ny minisitry ny fitsarana Razanamahasoa moa dia efa nilaza ny heviny, fa mety tsy ho tratra io datin’ny 29 febroary io, satria misy ny fe-potoana arahina amin’ny fandinihana volavolan-dalàna izany, na eo anivon’ny governemanta mankeny amin’ny Parlemanta izany… Raha ny zava-misy rahateo koa dia nivoaka ny didim-panjakana laharana 2012-212, mampiantso fivoriana tsy ara-potoana fahatelo ho an’ny Parlemantan’ny Tetezamita. Hanomboka rahampitso talata 14 febroary 2012 izany, ary tsy hihoatra ny 12 andro ny faharetany. Hodinihina mandritra io fotoam-pivoriana io ny volavolan-dalàna mahakasika ny lalàm-pifidianana sy izay volavolan-dalàna hafa efa voaomana hodinihina amin’izany. Mazava fa tsy anisan’ny lahadinika ny amnistia, fa arirarira. Ny fotoana anefa mandeha ihany.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT