Ny 20 janoary 2012 lasa teo izao no re farany ny amiraly Didier Ratsiraka. Niangavy an’Atoa Ravalomanana mba hampihemotra ny fodiany an-tanindrazana izy tamin’izay fotoana izay.
Efa ny tapaky ny volana janoary no voalaza tany am-boalohany fa hiverina eto Madagasikara izy, satria efa vita tsara ny fizahana ara-pahasalamana nataon-dRtoa vadiny amin’izay. Efa hisasaka ihany anefa ity ny volana febroary, fa tsy mbola hita tabilao ihany ny amiraly, ary raha ny angom-baovao natao tetsy sy teroa tamin’ireo mpomba azy, dia tsy mbola fantatra mazava mihitsy ny daty hiverenany. Manorim-ponenana any Frantsa indray izany aloha i Deba, ary any izy no manara-maso ny fivoaran’ny toe-draharaha eto. Toa tsy nisy resaka intsony koa ny momba ilay fihaonana an-tampony, ary na ireo olon’ny ankolafy Ratsiraka eto an-toerana aza dia toa mangingina be ihany. Araka ny fahitan’ny mpanara-baovao politika azy, dia nahatsapa ny amiraly fa tsy araka ny noeritreretiny intsony ny hery politika ananany miaraka amn’ny Arema, koa dia naleony niala an-daharana kely aloha. Efa nanomana ny kianja ihany i Tantely Andrianarivo, nitety faritra maro teto amin’ny Nosy, saingy tsy nahatafita ny baolina. Mazava be ny resaka fa ankolafy politika 2 no tena mifampitana eto Madagasikara, dia ny ankolafy Rajoelina sy Ravalomanana.
Niezaka ny nisisika sy nanakorontana ny mason-daomy ihany i Didier Ratsiraka, saingy tsy nahavita be, na dia nandany andro maromaro nihaonana tamin’izao karazan’olona rehetra izao aza. Tsy tokony hohadinoina koa anefa fa politika ity resahana ity. Nisy ny resaka mitokana nifanaovan’ny filoha mirahalahy teny Ivandry dia Atoa isany Albert Zafy sy Didier Ratsiraka izany. Tsy misy mahalala ny tena votoatin-dresaka tao hatramin’izao, fa araka ny tombantombana dia mifanakaiky fomba fijery kokoa izy mirahalahy ireto. Momba ny raharaham-pirenena ary efa nifankahalala hatry ny ela, satria efa samy minisitra tamin’ny Repoblika voalohany. Tandindomin-doza tanteraka ny fampiharana ny tondrozotra ankehitriny, saingy tsy mampihetsi-bolomaso ny amiraly izany, izy sy ny ankolafiny rahateo moa tsy nanasonia an’io. Misamboaravoara be eto ny raharaham-pirenena, saingy makamaka aina any Frantsa aloha ny Deba. Moa va tsy izany ilay manao sambo milentika ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.