Anisan’ny hanatrika ny fihaonambe tontosain’ny FFKM eny Ivato manomboka anio ny filoha teo aloha Ratsiraka Didier. Sady voaasa no tompon-kevitra amin’ny fihaonana antampon’ireo filoha teo aloha miaraka amin’ireo vondron-kery politika izay tarihin’ny Raiamandreny ao amin’ny FFKM ny tenany. Araka ny nambaran’ny Printsy Elakovelo dia hitondra fihavanana fa tsy fisaratsarahana ny amiraly amin’ny maha olon’ny finoana azy. “Tsy misy ady na tabataba fa ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy no katsahana”, hoy izy. Nanampy koa ny profesora Andrianarisoa Ange fa handray anjara feno amin’ny fijerena vahaolana iaraha-manaiky manoloana izao krizy izao ny amiraly Didier Ratsiraka. Anio maraina amin’ny 8 ora latsaka fahefany no higadona eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny fiaramanidina Air Mad mitondra azy. Marihina fa tsy azon’ny mpitsena idirana ny toeram-piantsonana eny Ivato. Mihazo ny toeram-pivoriana CCI avy hatrany ny tenany aorian’ny fahatongavany satria amin’ny 9 maraina no manomboka ny fivoriana.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.