Politique

Amiraly Didier Ratsiraka Mampitarazoka ny fodiany ny tsy fandriampahalemana


  • Alarobia 18 Aprily 2012

Tsy misy izay tsy mikolay ny amin’ny tsy fisian’ny fandriampahalemana eto amin’ny firenena ny olon-drehetra. Saika lasibatra avokoa mantsy na manana na mahantra, eny fa na dia ireo mpitondra fanjakana aza.

 Andrenesana vono olona na trano vaky hatrany isan’andro, indrindra fa ny eto an-drenivohitra ankoatra ny hala-botry sy ny sinto-mahery. Anisan’ny antony iray tsy hahafahan’ny filoha teo aloha Ratsiraka Didier miverina eto an-tanindrazana izany, araka ny fanazavan’i Vaovao Benjamin. Na dia misy aza mantsy ny fananan’ireny filoha teo aloha ireny zo ny amin’ny fahazoany mpiambina miisa 12 hiaro ny ainy sy ny ankohonany ary ny fananany dia tsy azo inoana ny fahatanterahan’izany, araka ny tokony ho izy, hoy ihany ity mpikambana Arema ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ity. Ankoatra io tsy fisian’ny fandriampahalemana io dia antony tsy mbola hahafahan’ity filoha teo aloha ity miverina eto an-tanindrazana ihany koa ny tsy mbola fahavitan’ny tranony ao Ambodiatafana – Toamasina sy ny fanaraha-maso tsy maintsy hatao amin’ny toe-pahasalamany.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT