Tsy ekena ny ady an-trano tadiavin’Ingahy Goldblatt hasesika eto amintsika, hoy ny antoko AMF/3FM tarihan’ny Rév. Andrianalijohn Ndrimanampy tafaresaka tamin’ny mpampita vaovao omaly.
Tokony haverina any aminy tsy misy hatakandro ireo miaramila frantsay maro mivezivezy eto amintsika ireo, hoy izy, ary hampiarahana amin’izy ireo koa Ingahy ambasadaoron’i Frantsa. Isika izao, hoy ry zareo AMF/3FM, efa miezaka hanatanteraka ny fampihavanana ny samy Malagasy izay efa natombokay tamin’ny fampihavanana an’i Marc Ravalomanana sy Andrinirina Rajoelina, fototry ny disadisa eto amin’ity firenena ity. Tsy miova ny hevitry ry zareo mikasika ny tokony hitantanan’ny Pr Zafy Albert an’izany rafitra fampihavanam-pirenena izany raha afaka manao izany ka hampianay, hoy ny Rév. Andrianalijohn, saingy mbola manana an’ireo mpiray ankolafy aminy hifampierana moa izy ka ho hita eo ihany.
Mbola haverinay hatrany, hoy ny AMF/3FM, fa ny fepetra hahatanterahan’ny fifidianana madio sy malalaka eto dia tsy misy afa-tsy ny fanomezana fahefana feno ny praiminisitra Omer Berziky mba ahazoana manatanteraka an-tsakany sy an-davany izay voalazan’ny tondrozotra. Ary dia manantena ny SADC ihany koa izahay hanatanteraka ny anjara tandrify azy amin’ny famerenana an-tanindrazana ny Filoha Marc Ravalomanana hahazoana manendry izay ho kandidàn’ny Ankolafiny eto an-toerana fa tsy any ivelany tahaka ny hanendren-dRajoelina ny kandidàny satria efa samy tsy hilatsaka izy ireo. Ny fotokevitra iraisana dia manery anay AMF/3FM hilaza fa manaja ny hevitra tapaky ny Ankolafy Ravalomanana manontolo izahay. Fotoanan’ny fampihavanana izao ka hatomboka ao an-tokantrano aloha izany ho an’ny ankolafy rehetra tsy misy ankanavaka ary ao anatiny ny Ankolafy Ravalomanana. Ary satria efa mivoatra be sy haingam-pandeha ny fivoaran’ny toe-draharam-pirenena ankehitriny dia heverinay fa tsy fotoanan’ny filalaovana intsony izao fa andron’ny fifantohana amin’ny dinika hoenti-manavotra ity firenena ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.