Anisan’ireo delegasion’ny mpanao politika mpikambana ao amin’ny ankolafy Ravalomanana nihaona voalohany tamin-dRtoa Lalao Ravalomanana niaraka tamin’ny Teza sy MFM ary ny TIM ny antoko AMF/3FM nosoloin’ny filoha mpanorina azy, ny Révérend Andrianalijohn Ndriamanampy Emmanuel.
Nambaran’ity farany fa tokony hotazonina hatramin’ny farany ny firaisankina. Nahafaly anay, hoy izy, ny nahita maso sy nifandray tanana tamin’ity vadin’ny filoha Marc Ravalomanana ity. Tohina ihany koa ny fo rehefa nilazany fa tsy nahalala azy akory tany am-boalohany ny reniny izay fototry ny diany amin’izao fiverenana an-tanindrazana izao. Midika izany, hoy izy, fa manana andraikitra goavana ny lehibe mpitantana ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) tamin’ny fikomiana nataony na dia efa nanome alalana mazava ny fahazoan-dRtoa Lalao Ravalomanana mody eto Madagasikara aza ny praiminisitra Omer Beriziky sy ny filohan’ny tetezamita Andry Nirina Rajoelina tany Toliara. Tsy misy hahazo tombony amin’izay mety ho fisavoritahana eto Madagasikara, hoy ny Rév. Satrobory. Tsy nikely soroka izy nijoro ho mpampihavana azy mianaka fototr’izao disadisa eto amintsika izao mba hisian’ny fitoniana mialoha, mandritra ary aorian’ny fifidianana kasaina hatao.
Mbola nantitranteriny fa ny fampihavanam-pirenena dia tsy tanterahina amin’ny famoahana didy fa resaka anatin’ny Malagasy mihitsy. Tsy sasatra mihitsy izahay AMF/3FM milaza fa ny Pr Zafy Albert no efa manana traikefa hanatanteraka izany ary mahafantatra koa ireo izay hiara-kiasa aminy hahavita io adidy goavana io. Nanipy teny ho an’ny filoha frantsay François Hollande ny Rév. Satrobory mba hahatsiarovany tena ny amin’ny zava-tsy mety mirona any amin’ny fampiadiana an-trano ataon’ny ambasadaorony vaovao eto amintsika, François Goldblatt. Fantatra moa fa handray fanapahan-kevitra maromaro amin’ny fivoaran’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena ny antoko AMF/3FM aorian’ny Filankevi-pirenena hataony ato ho ato.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.