Nifamotoana tetsy amin’ny CES Ambohidahy izahay ny zoma 16 aogositra, hoy ny Rév. Satrobory nanaporofon’ny Ankolafy Ravalomanana fa miray hina izahay ary miray feo koa fa tokana ny kandidŕ ho filoham-pirenena tohananay dia i Neny Lalao Ravalomanana.
Mbola hamafisinay AMF/3FM kosa anefa, hoy izy, fa tetika ataon’ny Frantsay ny fanembatsembanana an’io kandidànay io satria teny Ivato izy dia efa voatomboka ny pasipaorony mariky ny fahatongavany an-tanindrazana nialohan’ilay enim-bolana voalaza nefa dia niharan’ny tsy fanajana ny zon’olombelona ka nalefa tany amin’ny tany tsy niriany haleha akory. Aminay dia tsy fanajana ny voalazan’ny tondrozotra ny tsy famelana an’ireo sesitany any ivelany hody eto Madagasikara. Manambara koa izahay AMF/3FM, hoy ny Rév. Satrobory, fa tsy tokony hiova intsony ny didy navoakan’ny CES teo aloha fa efa tsy azo hivalozana iny ka heverinay fa hanaja izany ireo mpikambana vaovaon’ity rafitra ity. Tsy sasatra mihitsy ny tenako maninzingizina izay efa nolazaika hatramin’izay fa tsy misy afa-tsy ny fifampiresahana sy fifamelan’ny filoha Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina fototr’izao krizy izao no vahaolana ho antsika Malagasy ka isaorana ny FFKM miroso amin’izany. Matoky izahay fa izay nataon’i Desmond Tutu dia ho vitan’ny Arsevekan’Antananarivo ampian’ireo mpitarika fiangonana 3 mirahalahy miaraka aminy fa tsy mafy noho ny tatsy Afrika Atsimo akory izao mahazo antsika izao.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.