Ekena fa tena ilaina ny fanatsarana sy fanamboarana fotodrafitrasa tahaka ny lalana, tetezana, trano. Tsy lavinna fa mety misy ny tampoka saingy misy kosa angamba ny fandaminana asa tokony hatao fa tsy atao hitsin-dalana fotsiny ilay izy.
Ny zava-misy tato anatin’ny roa herinandro mantsy izao dia tena voaelingelina tanteraka ny fiainan’ny olona, indrindra fa ny mponin’Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina azy. Tsy misy fampandrenesana mazava fa tonga dia mikatona tampoka io lalana io satria mandrakotra tara ny mpanao lalana, fitohanana tsy hita noanoa no mitranga. Maraina, atoandro, hariva. Samy raikitra ao avokoa na ny mpianatra na ny mpiasa. Miaraka amin’io, ady saritaka vao mahita solika, milahatra hatramin’ny adiny 3. Tonga any am-piasana, vao mihodinkodina kely mandamina ny birao , indro fa tonga radelestazy, tonga dia lany eo indray aloha ny ora 2 na 3. Miaritra mamita asa eo, ka tara fodiana. Efa tsy misy intsony ny taksibe satria reraky ny amboteiazy ny tontolo andro ny fiara sy ny mpamily ary ny resevera ka efa nody tamin’ny 6 ora hariva. Alim-be vao tafody, mety amin’ny 9 ora alina, vao mandrapaka iray sotro misakafo dia miala any indray ny delestazy. Labozia no narehitra ... sady miezaka manangona rano ihany hampiasaina amin’ny ampitso satria tapaka isan’andro ny rano amina faritra maro ka amin’ny alina no manangon-drano ny isan-tokantrano. Ankapoben-javatra ireo fa mety mbola misy tranga hafa. Raha fintinina, miantraika mafy amin’ny fiainan’ny isam-batan’olona sy ny isan-tokantrano ary efa manomboka misy akony ratsy any amin’ny fiainan’ny orinasa ny karazan-krizy misy teo. Mbola azo antenaina hahita vahaolanna ve ny mpitondra fanjakana sa samy mihafy aloha fa efa izao no zava-misy vokatry ny gaboraraka niainana teto efa ho 10 taona izao ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.