Politique

Amboletra eny Tsimbazaza Volavolan-dalàna 5 laniana ao anatin’ny 2 andro


  • Alakamisy 14 Jolay 2016

Niverina namonjy ny fivoriana tsy ara-potoana natrehany indray ireo depiote omaly taorian’ny nanatrehan’izy ireo ny fihaonambe faha-42 an’ny parlemantera frankôfôna.

Ny fivorian’ny birao maharitra narahin’ny “conférence des présidents” no natrehan’izy ireo ka namaritana indray ny volavolam-pandaharam-potoana harahina hatramin’ny zoma 15 jolay hamaranana ity fivoriana ity. Fantatra anefa fa volavolan-dalàna 5 be izao indray no hatao   am-boletra holaniana ao anatin’ny roa andro rehefa avy dinihana any amin’ny asam-baomiera tsirairay avy. Anisan’ireo volavolan-dalàna mbola hodinihana sy hakan’ireo depiote fanapahan-kevitra amin’izany indray, hoy ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena faritanin’i Tolira, ny Depiote Erafa Brisson Jubé, ny volavolan-dalàna mifehy ny serasera eto amintsika izay nokitihan’ireo Senatera teny Anosikely indray ka tsy maintsy dinihana farany. Ao koa ny volavolan-dalàna mikasika ny fampihavanam-pirenena sy ny volavolan-dalàna 3 hafa.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT