Politique

Ambohitsorohitra sy Mahazoarivo Vaky tanteraka ny ady, mikatso ny famahana olana


  • Alakamisy 22 Desambra 2011

Sehatra izay hahafahan’ny rehetra mifandrimbona amin’ny famahana ny olana no hatsangana amin’ny voalohandohan’ny taom-baovao 2012.

 Izay no tena nisongadina tamin’ny fanazavan’ny praiminisitra Omer Beriziky omaly. Sehatra inona ary maninona no hiandrasana fotoana ny famahana ny olana ? Midika avy hatrany izany fa tsy voafehin’ny mpitondra ny zava-misy ankehitriny. Na Ambohitsorohitra na Mahazoarivo aloha hatreto dia tsy mbola nisy ny fanapahan-kevitra maty paika noraisina. Ny hany farahery dia ny hoe manainga ireo izay mitokona mba hiandrandra ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Tononkira izay efa mandeha matetika ihany. Mibaribary izany izao fa mizara tanteraka ihany koa ny hevitr’Ambotsorohitra sy Mahazoarivo amin’izao zava-misy izao. Misy ny tsy fifankahazoana ary izao ny vokany, mikatso avokoa ny lafiny marobe.

Tsy voavaha mihitsy ny olan’ny polisy sy ny SMM, tsy misy fepetra noraisina ihany koa manoloana ny fitokonan’ny mpiasam-panjakana, anisan’izany ny SECES. Mikorontana tanteraka, araka izany, ny lafiny fandrindrana ny fanjakana amin’izao fotoana ary mibaribary tsy takona afenina izany. Na ny Praiminisitra Omer Beriziky aza dia efa nanazava amin’ny fomba ofisialy fa misy ny lesoka amin’ny fanatanterahana ny tondrozotra. Dia izao manomboka mitaty ny vokany izao ny rehetra.

Fanjakana tsy tan-dalàna no iainan’ny Malagasy ankehitriny. Mifanilika andraikitra Ambohitsorohitra sy Mahazoarivo. Ny voalohany mangataka ny hanalana ny minisitry ny filaminana anatiny ny Contrôleur Général Rakotondrazaka Arsène, ny faharoa kosa mangataka ny hanalana ny minisitry ny fitsarana, Razanamahasoa Christine, raha toa ka hotanterahina itsy voalohany. Iray sy iray izany ny baolina ary tsy misy mitondra any amin’ny vahaolana ny fangatahan’ny roa tonta. Miraikitra ny fitantanan-draharahan’ny fanjakana. Samy tsy mahafoy ny azy satria samy manana ny kajy politikany koa.

Samy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT