Politique

Ambohitsorohitra Samy miady ho lohany ny DST sy ny FIS


  • Alarobia 24 Aogositra 2011

Tsy ny tandapa ihany fa hatramin’ireo mpitandro ny filaminana miasa ao Ambohitsorohitra dia miady an-trano ihany koa.

 Araka ny loharanom-baovao akaikin’Ambohitsorohitra dia tsy mifanaraka ny FIS sy ny DST izay samy vondron-kery naorin’izao FAT izao hiarovana an’i Andry Rajoelina. Lasa mahazo avara-patana tao anatin’ny enim-bolana izao ny DST amin’ireo raharaha mafampana rehetra izay manohintohina ny filohan’ny FAT. Ny kaomisera Nakany Charly sy ny ekipany hatrany no mandray an-tanana ny fikarohana sy ny fanadihadiana mikasika fipoahan-javatra voalaza fa nikendrena ny fiara nitondra an’i Andry Rajoelina teny amin’ny marais Masay sy ny fikasana hitifirana (?) azy sy Raharinaivo herinandro lasa izay. Torak’izany koa ny fisamborana ireo olona voarohirohy tamin’ny onjampeo Radion’ny Gasy.

Takona tanteraka ny FIS, izay angady nananana izao fitondrana izao ireo mpitandro ny filaminana mpikambana ao aminy, ka miteraka fialonana. Mahatsiaro ho anjorom-bala ihany koa izy ireo. Ny fahatrarana ilay mpanamboatra vola sandoka nampiasana fitaovana raitra volana vitsy lasa izay no nahitana an-dry Lietna-kolonely Lylison Réne farany. Taorian’izay dia nangina tanteraka ity Hery vonjitaitra manokana ity ka lasa mpiandry lapa sisa. Tsiahivina fa nahazo tsikera mafy ampahibemaso avy amin’ny masoivoho frantsay, Jean Marc Chataigner ny fitsangan’ny FIS, ny 14 jolay 2010, izay nosokajiany ho milisy.

 

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT