Ben'ny tanàna vitsivitsy no nantsoina tao Ambohitsorohitra, omaly, amin'ny hanatsarana ny Kaominina. Anisan'izany ny eny Ivato amin'ny hanamboarana ny tanàna, indrindra fa ny tsena.
HATSIKANA
1966-2016 mankalaza ny faha-50 taona teo amin’ny sehatry ny hatsikana i Dadavy amin’ity taona ity. Ny fandaharana “Sary indray mipika”, mialoha ny vaovao antoandro ao amin’ny Radio Nasionaly no ahafantaran’ny maro azy ankehitriny, ankoatra ny fanentanana hetsika aman-danonana.
BEFANDRIANA ATSIMO
Mirongatra ny andiam-balala. Taorian'ny fandalovan'ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina nitokana tetezana tany an-toerana, dia feno andiam-balala tampoka ny tanàna. Velona ahiahy ny mponina momba izany.
IVATO
Miato vonjimaika aloha ny momba ny fandravana trano ateraky ny fanamboarana ny lalana Ivato - Tsarasaotra fa hoe mety hisy fanitsiana ny soritry ny lalana.
MELKI
Folo taona namakivakiana ny habaky ny kanto malagasy i Melky. Manamarika izany ny nivoahan’ny hira vaovao "Iny ianao iny", izay noforonin’i Ndondolah.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.