Mitaraina noho ny afitsok’ireo mpametaka afisin’ny kandida Hery Rajaonarimampianina ny mponina eny Ambohimangakely. Manjaka ny tsy fanarahan-dalàna satria na dia toerana tsy tokony hametahana afisy aza dia feno avokoa.
Petahan’izy ireo na tamboho na rindrin-tranon’olona. Maro no sorena manoloana izany. Eo an-danin’izay anefa dia misy andian’olona voakarama handrovitra sy hamotika afisina kandida hafa. Raha araka ny fantatra dia mbola betsaka amin’ireo mponina eny an-toerana no tsy mahalala akory ireo kandida miisa 33 hisafidianana, ka handatsahanam-bato ny 25 oktobra ho avy io, eny fa na dia ny anarany aza. Ankehitriny anefa izay afisy mipetaka misy mandrovitra ary kandida tokana ihany no terena ho fantatry ny olona ka velon-taraina izy ireo. Any ambanivolo dia mandeha ny fanerena ny olona tsy maintsy hifidy ity kandida ity, fa kandidam-panjakana, hono (?). Mikasika izay tsy fanarahan-dalàna izay ihany dia nahazendana ny mponina teny Analamahitsy ny nahita ireo fiarakodia niara-dia amin’ny kandida Hery Rajaonarimampianina nanivaka tamin’ny lalana tsy azo ifanenana eo anelanelan’ny lasantsy Total mandalo ny fiangonana FJKM Analamahitsy iny, rehefa avy nanao propagandy teny Ankadikely ny talata teo. Mbola kandida aza izy dia efa izany ny tsy fanarahan-dalàna, mainka fa raha sanatria ka lany eo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.