Politique

Ambohimanarina Manetsika ny fampandrosoana ifotony ny depiote Horace


  • Alakamisy 16 Jona 2016

Mitohy tsy tapaka ny fihaonana mivantana amin’ny vahoaka fanaon'ny depiote Rasoanoromalala Horace voafidy teny amin'ny Boriborintany faha-6 Ambohimanarina.

 

 Na dia ao anatin'ny fotoam-pivoriana aza ny Antenimieram-pirenena dia tsy mitsahatra mifampikasoka sy mifandray amin'ireo fokonolona ifotony isam-pokontany mahakasika ny fampandrosoana ny depiote. Ny alahady teo dia nisy dinikasa ho fanatanterahana ny fanamboarana ireo lalankely ao amin'ny Faritra Amboditevana fokontany Ambodivona ho fiaingana amin'ny asa, ary efa nanoloran-dramatoa depiote simenitra maromaro ho fiandohana. Fomba fiasa rahateo ny tolo-tanana sy fifarimbonana ataon'ireo fokonolona mampiasa izany ary dia mitohy hatrany miaraka amin'ity olomboafidy ity. Ny ao amin'ny faritra Morafeno fokontany Anosisoa kosa dia lalandrano no tsy maintsy namboarina mialoha. Nanolotra baolina ireo ankizy mpitia lalao kitra ihany koa ny depiote. Foto-pisainana fahaizana mitarika eto no miasa ary dia misy tokoa ny vokatra mivaingana azo tsapain-tanana.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT