Ny sabotsy 26 mey teo no nanatanteraka ny hetsika fahatelo hidirana teny amin’ny Kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo ireo miara-dia amin’ny Free FM ka mitaky ny fahalalahana haneho hevitra sy manohitra ny tsy rariny sy ny tsy fahamarinana.
Tsy tafiditra tao an-kianja moa izy ireo fa teo ivelany no nifampiresaka. Tazana nitarika ny mpanao fihetsiketsehana sy nifampiraharaha tamin’ny mpitandro ny filaminana manoloana ny vavahady lehibe fidirana ao amin’ny kianjan’Ambohijatovo Atoa Rajaonah Andrianjaka, filoha nasionalin’ny fikambanana Otrikafo, anisan’ireo mpanohitra tena henjam-piteny ny fitondrana tetezamita tarihin’i Andry Rajoelina. Tsy nanaiky ny hidiran’ny olona tao an-kianja ny mpitandro ny filaminana satria tsy nahazo alalana ho amin’izany izy ireo. Niverina ireo mpitarika ary niresaka tamin’ny vahoaka sy nanambara ny zava-misy. Nandray “mégaphone” ary dia niroso tamin’ny kabary Atoa Rajaonah Andrianjaka. Minitra vitsy taorian’ny nitenenany anefa dia nisy andian’olona nanakorontana, ary voalaza mihitsy fa nikasi-tanana ity mpanao politika ity, koa dia tapaka teo ny kabary. Raikitra amin’izay ny savorovoro sy fifanenjehana. Niavaka ireo andian-jatovo 40 lahy teo, hita fa vonona hanakorontana sy handrava ny fihetsiketsehana.
Nitazam-potsiny ny zava-misy ny mpitandro ny filaminana fa dia ny samy sivily no nifampitady. Raikitra ny fifanenjehana teo Ambohijatovo sy ny manodidina. Tafidina hatreny Analakely izany, haingana dia haingana ihany koa ny fametrahana sakana tamin’ny arabe tamin’ny alalan’ny vato sy ireo trano vy teny amin’ny sisin’arabe teny izay nisy nandrava. Nandritra izany fotoana rehetra izany dia nilaza ireo mpanao gazetin’ny onjampeo Free FM fa ireo zatovo lahy mpanao baolina lavalava ireo manakorontana ireo, ary nanonona olona ambony ao amin’ny fitondrana tetezamita ny Free FM fa ao ambadik’ireo andian’olona manakorontana ireo. Nambaran’ny mpanentana tao amin’ity onjampeo ity ihany tamin’io sabotsy io fa misy mpiara-miasa akaiky amin’io olona ambony ao amin’ny fitondrana io miaraka amin’ny mpitandro ny filaminana ao anaty fiara 4X4 ka manondro izay olona tokony hosamborina.
Somary nanaitra ny olona teny Ambohijatovo ihany moa ny mpitandro ny filaminana izay tsy nihetsika mihitsy na dia efa hita aza ireo vondron’olona nanakorontana. Rehefa nanomboka nipetraka ny sakana tamin’ny arabe izay vao niditra an-tsehatra ny Emmo-Reg ary nandefa grenady mankarenin-tsofina. Izay no nahatonga ny olona sasany velom-panontaniana hoe : fa ireo “gros bras” indray ve izany no misolo ny asan’ny Emmo-Reg amin’ny fandravana ny mpanao fihetsiketsehana an-dalambe manomboka izao ? Tsy mbola nisokatra ho an’ny fanehoan-kevitra izany hatreto ny kianjan’Ambohijatovo. Ireo mitaky ny fahafahana haneho hevitra ao kosa dia nanamafy fa mitohy hatrany ny tolona ary tsy hijanona intsony raha tsy azo ny fandresena !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.