Politique

Ambohidratrimo Afa-po amin'ny fandrosoana misy ny depiote Luc


  • Alatsinainy 13 Jona 2016

Tena miroso mankany amin'ny dingan-dava eo amin'ny fandrosoana ny distrikan'Ambohidratrimo noho ny fanarahana an-tsakany sy an-davany ny praograma nofaritan'ny fanjakana malagasy



, hoy ny depiote voafidy avy eny amin'iny faritra iny, Ratsimbazafy Luc, tamin'ny faran'ny herinandro teo. Tsy dia misedra ny olana ara-pitohanan'ny fifamoivoizana loatra i Marovatana, hoy izy, hatramin'izay niandohan'ny fanatanterahana ny "projet présidentiel" izay. Manana tombony amin'ny fisokafan'ny sehatra indostrialy maro koa ny eny amin'ny distrika misy anay noho ny fitoizan'ny fiaraha-miasan'ny fanjakana sy ny Agoa ka maro dia maro ny tsenan'asa misokatra noho izany. Azo antoka no  hitobahan'ny tombontsoa ho azon'ity distrika ity amin'ny fanatanterahana ny Frankofonia eto amintsika noho ireo fotodrafitrasa marobe mitsangana noho izany. Na dia mbola misy mandringa kosa aza ny eo amin'ny lafiny fandriampahalemana eny amin'ny distrikan'Ambohidratrimo, hoy izy, dia efa mahavelombolo ihany ny fiaraha-miasa matotra misy eo amin'ny mpitandro ny filaminana sy ny fokonolona eo amin'ity lafiny ity.


Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT