Ambohidrapeto

> Hanome vato 70% an’ny Dokotera Robinson


  • Zoma 18 Oktobra 2013

Raha mizotra araka ny tokony ho izy ny fifidianana filoham-pirenena izay hotanterahana afaka herinandro eto amintsika dia tsy ho latsaky ny 70% ny vato ho azon’ny kandidan’ny Avana tohanan’ny ankolafy Ravalomanana, ny dokotera Robinson Jean Louis eto amin’ny Kaominina ambanivohitra Ambohidrapeto, hoy ny filohan’ny antoko Zanak’i Dada Rakotonirina Dieudonné Noël.

Raha misy mantsy ireo tena mafana fo amin’ny fitiavan-tanindrazana ka tsy manaiky ny fanjanahantany amin’ny endriny vaovao izay nanamarika ny fiainam-pirenena tao anatin’ny 5 taona nisian’ny fitondrana tetezamita dia anisan’izany ny mponina ao amin’ity Kaominina iray ao anatin’ny Distrikan’Atsimondrano ity. Leo sy tofoka tanteraka amin’ireo mpanongam-panjakana ary mbola kandidam-panjakana mieboebo mampiasa volabe miampy tambiny maro isan-karazany amin’izao fampielezan-kevitra izao ny olom-pirenena monina ao amin’ireo Fokontany 5 dia Ambohidrapeto, Merimandroso, Antsahamasina, Antanetibe ary Avaratsena mandrafitra ny Kaominina izay vonona hanefa ny adidiny amin’ny fandatsaham-bato ny zoma 25 oktobra ho avy izao, hoy kosa Rakotoarison Benjamina, filoha lefitry ny antoko. Tranga iray ao anatin’ny maro manerana ny Nosy tena mampalahelo ao amin’ity Kaominina ity ny tsy fahafahan’ireo olom-pirenena mifidy izay nisoratra anarana ara-dalàna teny amin’ny biraom-pokontany tao anatin’ny fe-potoana voafetran’ny lalàna nefa tsy voasoratra ao amin’ny lisi-pifidianana nefa tsy nisy ny fandraisana andraikitra nataon’ireo mpikambana ao amin’ny CENIT. Anisan’izany ohatra ireo olom-pirenena miisa 100 very zo ao amin’ny Fokontanin’Antsahamasina. Mbola lesoka mila vahana haingana ihany koa, hoy ireto tompon’andraikitra ireto ny fampiasana ny bileta tokana izay tsy voafehin’ireo olom-pirenena ao amin’ity Distrika ato anatin’ny faritra Analamanga ity.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT