Tsy matoky ny Fitsarana malagasy ny mpitantana ny orinasa Ambatovy ka miantso ny governemanta handray ny andraikiny
amin’ny fampiharana ny fanjakana tsara tantana sy fitsarana madio sy mahaleotena antoky ny fahatongavan’ireo mpiraiantobola amin’ny amin’ny orinasa Ambatovy hampiasa hatrany amin’ny 8 miliara dolara amerikanina. «Fantatray fa iharan’ny faneriterena maro isan-karazany ny Fitsarana malagasy saingy tiako ny mampahafantatra antsika fa tsy hanaiky ny fanamparam-pahefana mitanila eo anivon’ny Fitsarana izahay». Io no nambaran’Atoa Louis- Roland Gosselin, filoha lefitry ny orinasa Ambatovy misahana ny fampandrosoana maharitra omaly tetsy amin’ny trano fitaratra Ankorondrano izay nihaonany tamin’ny mpanao gazety. Notsiahiviny tamin’izany ny nanidian’ny Fitsarana ny kaontim-bolan’ny orinasa taorian’ny ady ifanaovan’ny orinasa amin-dRtoa Mimosa Séraphin Randriamanantena izay mpiasan’ny orinasa teo aloha saingy naato noho ny tsy fanajany ny fepetra momba ny asa tao Ambatovy, araka ny fanazavana nomen’Atoa Louis –Roland Gosselin. Na dia efa nomena ity ramatoa ity avokoa anefa aza, hono, ny zony rehetra tamin’ny fampiatoana azy dia tsy mbola afa-po ny tenany fa nitondra ny raharaha teny anivon’ny Fitsarana ary mitaky onitra 2,3 miliara Ariary. Tetsy an-kilany koa anefa ny orinasa Ambatovy izay nahatsapa fa nampiasa tatatasy hosoka ity ramatoa ity dia nitory ihany koa. Resy hatrany anefa ny orinasa teo amin’ny ambaratongam-pitsarana voalohany ka nampiakatra ny raharaha amin’ny antanatohatra ambonimbony kokoa. Teo amin’ny ady madio dia didian’ny Fitsarana handoa vola 567 tapitrisa Ariary amin-dramatoa Mimosa Séraphin ny orinasa Ambatovy ka ny 88 tapitrisa Ariary aloa avy hatrany. Mbola miakatra Fitsarana ambony moa ny raharaha, araka ny voalaza teo, raha toa ka efa nolavin’ny Fitsarana ihany koa teo amin’ny ady heloka izay nampiakarin’ny orinasa teo amin’ny Fitsarana ambony.
Milaza ny tsy hilefitra mihitsy moa ny mpitantana ny orinasa Ambatovy na ho tonga hatrany amin’ny fanelanelanana iraisam-pirenena aza, araka ny nambaran’ny filoha lefitra hatrany. Ny orinasa moa dia sahy mijoro fa manaja ny zon’ny mpiasa tanteraka ary manambara ihany koa fa anisan’ny mahasahy manakarama ambony ireo mpiasa Malagasy ao aminy izy ireo fa tsy arakaraka ny fanaratsiana izay ezahiana aely momba ny mpiasan’Ambatovy.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.