Matoky ary miandry fatratra ny handalovan’i Neny Lalao Ravalomanana Rakotonirainy any aminy ny vahoakan’Ambatondrazaka, hoy ny CT Rasoamalala Brenda Odette. Mahatsiaro ho heni-kaja, heni-boninahitra ny tena, hoy izy, fa renim-pianakaviana toy ny tena no manam-piniavana ka nanaiky hirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena hanavotra ity firenena efa latsaka anaty lavaka mangitsokitsoka tao anatin’ny efa-taona ity. Manome toky Ambatondrazaka, hoy Rasoamalala Brenda Odette, fa hamerina indray ny 70% fanomeny ny kandidàny hatramin’izay, fony faha Marc Ravalomanana, ho an’i Lalao Ravalomanana. Tsy hisalasalana araka izany ny vina «1er Tour de vita» raha ho an’Ambatondrazaka manokana, hoy hatrany ny CT Rasoamalala Brenda Odette.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.