Politique

Ambatondrazaka Mbola miandrandra an-dRavalomanana


  • Alatsinainy 08 Aprily 2013

Voaporofo tany Ambatondrazaka ny faran’ny herinandro teo indray fa mbola betsaka ireo Malagasy miandrandra ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana.

 Nandritra ny hetsika nokarakarain’ny fikambanana Zanak’Alaotra Miray (ZAMI) tany Ambatondrazaka ny zoma teo dia vahoaka maro be tokoa no tonga nitsena ny delegasiona ny ankolafy Ravalomanana izay notarihin’ny praiminisitra lefitra Botozaza Pierrot. Naneho firaisankina tamin’ny fitsenana ireo vahiny manankaja avy eto Antananarivo ny fikambanan’ny taksi moto sy ny taksi bisikileta. Voatery nandeha an-tongotra mihitsy ny praiminisitra lefitra Botozaza Pierrot sy ireo mpiara-dia aminy nanomboka teo amin’ny Gare routière Ambalabako ka hatrany amin’ny birao fiasan’ny Faritra Alaotra Mangoro. Nandray ireo vahiny tamin’izany ny Sekretera jeneralin’ny faritra, Randrianatoandro Stanislas. Nambaran’ny praiminisitra lefitra miadidy ny indostria sy ny toekarena fa hitondra fampandrosoana ny faritra no antony nahatongavan’izy ireo tany an-toerana. Avy nitsidika ara-pomba fifanajana ny tao amin’ny fiadidiana ny faritra ny delegasiona notarihin’ny praiminisitra lefitra Botozaza Pierrot dia nitsidika indray ny tao amin’ny biraon’ny Kaominina ambonivohitra Ambatondrazaka.

Nandritra izany dia nisy ny teny firariantsoa napetrany tamin’ny boky volamenan’ny Kaominina Ambatondrazaka. Ny alin’io zoma io ihany dia nisy ny dinika niarahan’ny praiminisitra lefitra miadidy ny toekarena sy ny indostria tamin’ireo talem-paritra sy mpandraharaha ary tompon’andraiki-panjakana samy hafa. Nanatrika hatrany ireo fotoana rehetra ireo ny sokajin’olona samihafa mpanohana ny filoha Marc Ravalomanana. Nitohy ny sabotsy maraina ny hetsika nokarakarain’ny ZAMI izay nanasana ny mpitarika ny ankolafy Ravalomanana avy eto Antananarivo, ka tonga tany an-toerana ny filohan’ny kongresin’ny tetezamita Mamy Rakotoarivelo sy mpikambana avy ao amin’ny parlemanta roa tonta. Nandritra izany no nanoloran’ny filoha ny kongresy Mamy Rakotoarivelo lelavola efatra tapitrisa Ariary hoentina hampandehanana ny fikambanana ZAMI. Ny praiminisitra lefitra miadidy ny indostria sy ny toekarena koa dia nanolotra vola iray tapitrisa Ariary ho an’ny fikambanana vehivavy ZAMI sy fitaovana ara-panatanjahantena samihafa. Ankoatra izay dia notolorany koveta ny fikambanan’ny mpivarotra trondro any Antsihanaka ary omby vositra telo ho nofonkena mitam-pihavanana ireo olona nasaina. Ny fanatrehana ny lalao famaranana baolina kitra lalaovin’olona fito sy baskety nokarakarain’ny ZAMI no namarana ny fidinana ifotony nataon’ny ankolafy Ravalomanana tany Alaotra. Marihina fa nahavory olona maro hatrany ny hetsika rehetra.

 

Niry A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT