Politique

Ambatondrazaka Mampitandrina ny mpomba ny ankolafy Ravalomanana


  • Talata 06 Desambra 2011


 Hentitra amin’ireo mpikambana CT sy CST vaovao ny avy any Ambatondrazaka mpomba ny ankolafy Ravalomanana any an-toerana ary mampitandrina azy ireny mihitsy aza fa raha tsy tafaverina an-tanindrazana mialoha ny faran’ny taona 2011 ity ny filoha Marc Ravalomanana dia ho tomponandraikitra tanteraka amin’izay hiseho eo ireto mpikambana vaovao amin’ny Kongresin’ny tetezamita avy any Alaotra ireto. Amin’izy ireo tsy mijanona ny tolona raha tsy tanteraka avokoa ny fitakiana rehetra dia ny famoahana ny gadra politika sy ny fodian’ny filoha Ravalomanana eto Madagasikara ary ny fanokafana ireo haino aman-jery nakatona tamin’ity krizy ity. Hisy, araka izany, ny hetsika lehibe hotontosain’izy ireo atsy ho atsy raha tsy tanteraka ao anatin’ny fotoana fohy ny fitakian’izy ireo satria efa tena latsaka anaty lavaka ny fiainan’ny mponina kanefa mbola ilaozan’ireo mpanao politika mitsentsitra ny volam-bahoaka indray.

Niry A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT