Nametraka ny taratasy filatsahany hofidiana solombavambahoaka tao amin’ny OVEC Ambatondrazaka ny sabotsy 27 jolay teo ny kandida atolotry ny fikambanana Andrin’i Madagasikara (Association Nationale pour le Développement Rural et Industriel de Madagascar) ny dokotera Rasoanaivo Elie.
Ny fanohizana ireo asa efa natomboka fony izy solombavambahoaka sy ny fampiroboroboana ny seha-piharian’ny tantsaha ary ny ho fampandrosoana ny Distrikan’Ambatondrazaka no nahatonga ny dokotera Elie sy ny ekipany niroso handray anjara amin’ny fifidianana solombavambahoaka. Ny fikambanana Andrin’i Madagasikara izay fikambanana mikendry ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra sy ny indostria ary ny olona rehetra no nanolotra azy ho kandida solombavambahoaka. Raha ny antoko Tiako i Madagasikara no nahalany Solombavambahoaka ny dokotera Rasoanaivo Elie tamin’ny taona 2007, ankehitriny ny tenany niara-dalana amin’ny Andrin’i Madagasikara noho ny foto-kevitra mitovy dia ny fampandrosoana miainga avy eny ifotony dia ny tantsaha izay maro an’isa eto Madagasikara.
Ahitana sokajin’olona maro samihafa miray lisitra amin’ny dokotera Elie. Misy mpamboly, ao ny mpiasam-panjakana, eo ny miasa amin’ny tsy miankina ary ny tantsaha izay manana ny lanjany amin’ny fikambanana Andrin’i Madagasikara. Ny Dokotera Elie no kandida faha roapolo hifaninana ho solombavambahoaka ao anatin’ny Distrikan’Ambatondrazaka. Naneho fahavononana izy sy ny ekipany fa hanohy hatrany ny ezaka ho fanamaivanana ny olana ara-tsosialy ny mponina any amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.