Niatrika ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy tao Ambatomanga Ramatoa Ravalomanana Lalao, tamin’ny andro fankalazana ny nidinan’ny Fanahy Masina tamin’ny Apostoly, ny alahady 19 mey lasa teo.
Nentina am-bavaka tao ny fiainam-pirenena sy ny fianakaviana Ravalomanana ary ny fikasana handray andraikitra amin’ny firenena. Nohararaotin’ny fitandremana ny niarahaba sahady an’i Neny satria ankatoky ny fetin’ny Reny io andro io, ary dia nisy ny fahatsiarovana natolotra azy ho fanamarihana izany. Rehefa avy nidera an’Andriamanitra Ravalomanana Lalao dia nitsidika ihany koa ny sekoly nianarany fahiny, ny Sekoly protestanta izay reharehan’Ambatomanga raha jerena ny andraikitra tazomin’ireo mpianatra nobeazina tao. Anisan’ireo notaizana tao amin’ny kilasimandrin-jazavavy ihany koa Ravalomanana Lalao fony mbola mpianatra. Ny fitsidihany ity toerana ity dia nahafahany nijery ny fiovana nisy sy ny fiaimpiainan’ny zazavavy beazina ao amin’izao fotoana. Eo ihany koa ny ezaka ataon’ny mpikarakara izao toerana izao toy ny trano fonenan’ny mpampianatra izay mbola anaty tetikasa ihany ny ankamaroany. Nialoha izany anefa dia nisy ihany koa ny resadresaka tamin’ny mpiandraikitra sy ny fitsidihana ny kilasimandrin-jazalahy tao Ambatomanga.
Ankehitriny dia manabe zatovo 30 ny Akany. Zatovo izay heverina fa hanana ny anjara toerana eto amin’ny firenena any aoriana any. Ny Alatsinain’ny Pentekosta kosa dia nidina tany Ambatolampy-Antsirabe i Neny. Nihazo ny tsena an-tongotra ny tenany rehefa avy nidera an’Andriamanitra tao amin’ny fiangonana FJKM ao an-toerana ary nitafa mivantana tamin’ireo mponina sendra ny fandalovany. Mitaraina mafy amin’ny fahasahiranana ny ankamaroan’izy ireo ary manantena fa tsy ho ela dia hiverina amin’ny ara-dalàna ny fiainany. Ny ankamaroan’ny mponina dia nilaza mazava ny fanantenany amin’ny andraikitra raisin’i Neny amin’ny raharaham-pirenena. Niantsena toy ny renim-pianakaviana rehetra izy saingy tsy nanaikyraha tsy nitafa sy nanaraka azy ny vahoaka. Nifanome toky ary ny roa tonta fa hifanome tanana hanarina ny rava satria tsy andraikitr’olon-tokana izany fa «andraikitro izaho sy ianao», hoy i Neny.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.