Politique

Ambatolampy Vakinankaratra Tsy mivadi-belirano amin’ny ankolafy Ravalomanana


  • Talata 23 Aprily 2013

Tsy mivadi-belirano amin’ny Ankolafy Ravalomanana sy amin’ny filoha Marc Ravalomanana Ambatolampy, hoy ny CT Rakotomandimbindraibe Mamisoa, tao anatin’ny hetsika iray notontosaina tany amin’ity Distrika iray ao Vakinankaratra ity tamin’ny alahady 21 aprily teo.

 Toromarika fohy nefa nafonja niainga avy amin’ny antso an-telefaonina nivantana nataony no nilazan’ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ireo mpivory fa Lalao Ravalomanana Rakotonirainy irery ihany no kandidàn’ny Ankolafy Ravalomanana ka tokony hotohanana. Novelabelarin’ny CT Rakotomandimbindraibe Mamisoa tamin’ny antsipirihany moa ny mahakasika an’ity kandidàn’ny Ankolafy ity.

Nomban’ny fanentanana ny rehetra hijery ny lisi-pifidianana izany ankoatra ny fampitam-baovao nentiny ihany koa ka tao anatin’izany ny mikasika ny raharaha anatin’ny antoko Tiako I Madagasikara. Manahy ihany anefa ny mety hihemoran’ny fifidianana izahay, hoy ny CT Rakotomandrdimbindraibe noho ny trangan-javatra miseho lany ankehitriny tahaka ny tsy fampiharana 100% ny voalazan’ny tondrozotra ka tsy mbola amoahana ireo gadra politika rehetra mbola any am-ponja, ny fanokafana an’ireo haino aman-jery rehetra nakatona.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT